Lions club International : Mivory eto Madagasikara

  • mercredi, 19 avril 2017 22:46

Nanomboka androany ary haharitra telo andro ao amin’ny hotely Carlton ny fivoriam-be andiany fahatelon’ny fikambanana Lions club International district 403 B2.

Filaharam-be nanoloana ny ranon’Anosy no nentina nanamarihana izany fanokafana izany. 300 mahery no isan’ireo mpandray anjara andrasana amin’ity fivoriana ity ka hoan’ireo vahiny avy any ivelany dia omaly izy ireo no noraisin’ny filoham-pirenena.

Amin’ny andro farany hanaovana ity fivoriana ity ihany koa no marihina fa hanatotosana ny fifidianana izay ho governora vaovaon’ny fikambanana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa