Vohibato: Nifananao Tsitsika ny vahoaka manoloana ny ady amin'ny dahalo

  • lundi, 20 mars 2017 14:25
  • Sary nomena

Nanao Tsitsika niraisana ireo mponin'ny Vohibato ao anatin'ny Kaominina 16 rehefa samy resy lahatra amin'ity tsy fandriampahalemana ity.

Izany dia natrehan'ireo Ben'ny Tanàna na ny solontenany avy isaky ny Kaominina. Tomponkevitra tamin'izany moa ny Solombavambahoaka lany tao amin'ny Distrikan'i Vohibato ny Colonel RANDRIANATOAVINA Jean Martin.

Nisy ny vono omby sy kabary fanozonana izay rehetra mikasa hanao ratsy ao Vohibato. Nanaraka ny fepetra ara-drazana ity hetsika ity ka niafara tamin'ny Saotsa, fomba fanao aty Vohibato io.

Nanambara ny Solombavambahoaka Martin fa ho fongorina tanteraka ny asa ratsy aty Vohibato na asan-dahalo na politika maloto ka nifampitsitsihina teto.

Velombolo ny mponina satria endrika iray hamerina ny hasin'ny fandriampahalemana eto Vohibato ny Tsitsika izay efa nisy tany aloha fa nisy nanapotika taty aoriana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa