Soalala : Fiarovana ny Angonoky

  • samedi, 18 mars 2017 20:34
  • Sary nindramina fampihaingoana

Anisany ireo biby ahiana ho lany tamingana ny karazana sokatra Angonoky eto Madagasikara izay tsy hita raha tsy ao amin’ny Distrikan’i Soalala, Faritra Boeny. Ao amin’ny « Baie de Bale » no tena ahitana azy ireo.

Hifanome tanana hiaro ireo biby ireo ny Durell, Madagascar National Park ary Madagasikara Voakajy, izay fikambanana misehatra amin’ny tontolo iainana.

Hiara hiasa amin’ny vahoaka ireo mpiara miombon’antoka ireo amin’ny fanomezana loharanom-baovao haingana raha mahita olona manondrana an-tsokosoko Angonoky.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa