Fianarantsoa: Nandray ny fifonana i Naivo fa nitazona ny fitoriana

  • jeudi, 16 mars 2017 22:50
  • Tahirin-tsary Sobika Fianarantsoa

Miverina any am-ponja eo am-piandrasana ny didim-pitsarana ny 20 aprily ho avy izao ilay manam-boninahitra polisy vavy voampanga nahavanona vono sy ratra an-tsitrapo tamin'i Naivo.

Nahazo fahafahana vonjy maika kosa ny lehilahy iray fiampangana taminy.

Niaiky heloka ilay polisy vavy sy ny iray tsikombakomba taminy.

Voaporofo nandritra ny Fitsarana ihany koa fa nifona sy niezaka nanao raharaham-pihavanana izy ireo. Nitsabo an'i Naivo ihany koa etsy an-daniny. Saingy nitazona ny fitoriana hatrany i Naivo niharan'ny herisetra.

Mitentina 12 tapitrisa Ariary no nangatahan'ny mpitory taorian'ny fandaharana isan-tsokajiny.

Nambaran'ny olona mpandinika fa somary nalaky ihany ny fotoana nitsarana ity mpitandro filaminana ity raha mitaha amin'ny raharaha efa nitranga taloha. Roa volana latsaka dia niakatra fitsarana ity afera ity raha enim-bolana ka hatramin'ny roa taona ny seho tahaka izao vao notsaraina tany aloha tany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa