Mahajanga : Tovolahy iray, 22 taona, maty voapoizina

  • jeudi, 16 mars 2017 11:45
  • Sary nindramina fampihaingoana

Tao amin’ny Fokontany Tsararano Anosikely no nitranga ity tranga nampalahelo nahafatesana tovolahy 22 taona ity. Niaraka tamin’ny namany, nisotrosotro tany amin’ny Bar izy. “Avy hatrany dia nalemy tsy afa-nitsangana izy ary nivoaka faroratra teo amin’ny vavany”, hoy ireo nahita azy.

Nifamonjen’ny olona nentina teny amin’ny hopitaly Androva ilay tovolahy, izay efa tsy nahatsiaro tena intsony. Teny an-dalana anefa dia voalaza fa tapitra ny ainy, ny alarobia tamin’ny 4 ora maraina.

Tombanana ho fanampoizinana no nahavoa ilay tovolahy. Tsy mbola nametraka fitoriana mikasika ity raharaha ity ny fianakaviana hatreto, fa mbola mikarakara ny fandevenana ny razana.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa