Fianarantsoa : Mpiofana ara-politika andiany faha-efatra

  • samedi, 11 mars 2017 13:04
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Fomba iray itaizana ara-politika an'ireo manam-paniriana hanova zavatra aty Fianarantsoa ny fanofanana tahaka izao. 8 volana no faharetany ary 25 isaky ny andiany no raisina.

Ny antoko Fitambolagnela I.A.D no angady nananana izany ivontoerana antsoina hoe FORMAPOL eto Fianarantsoa izany. 23 no isan'ny taranja anovozam-pahalalana. Tanora sy mpandraharaha, mpandinika ara-politika sy tompon'andraikitra isan-tsokajiny no mpiofana.

Tsy misy sarany ny fiofanana ary ahitana mpiofana manerana an'i Madagasikara sy hatrany Comores.
Tanjona napetraky ny mpanangana ity toeram-piofanana ara-politika ity ny famoahana andian'olona hampiatra ny fanaovana politika amin'ny fomba hafa.

Tanjona lavitra ezaka ny fananana olona mijery ny mpiara-belona sy mahay mandrindra ny loharanon-karena ho an'ny soa iombonana fa tsy hifantoka amin'ny antoko misy azy.

"Filamatra" no anaran'ny andiany faha-efatra mivoaka amin'ny fomba manetriketrika anio eo amin'ny foiben'ny antoko Fitambolagnela I.A.D.

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.