Sambava : Hihena ny vokatra lavanila hoy ny mpamboly

  • jeudi, 09 mars 2017 21:40
  • Sary Sobika Sambava

Simba ny 30%-n’ny voly lavanila ao amin’ny kaominina Bemanevika taorian’ny fandalovan’ny rivodoza ENAWO teto Sambava ny 07 marsa 2017 iny. Io no tarehimarika navoakan’ny Kaominina.

Ireo mpamboly moa nilaza fa tapaka ny tahon’ny lavanila ka voatery ambolena indray ireny tahon-davanila izay efa misy voany ireny, na izany aza dia kely ny finoana ny hahazoana vokatra tsara amin’ireny.

Manahy izahay, hoy ny mpamboly fa afaka fotoana fohy dia hiraraka ny voan’ny lavanila noho izy tratry ny rivomahery.

Mangataka amin’ny Fanjakana izahay, hoy hatrany izy ireo, ny mba hiarovana izay lavanila kely sisa aty ifotony.

Ny Kaominina Bemanevika dia isany mpamokatra lavanila betsaka indrindra isan-taona ary azo lazaina ho lavanila tena tsara.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.