ANTA : Fankalazana ny 29 martsa

  • vendredi, 03 mars 2017 11:55
  • Sary Njaka

Anisan’ny hanamarika ity volana martsa ity ny fankalazana ny faha 70 taona ny 29 martsa 1947, izay mitondra ny lohahevitra hoe “Mba hiampita ny fanilo, ny lasa tsy fanadino”

Miezaka hatrany ny ANTA na ny Agence National d’Information TARATRA ny hampahafantatra ireo mpianatra mahakasika ny tantaran’ny tolom-panafahana teto Madagasikara. Maro tokoa ireo mpianatra no liana amin'izany, indrindra fa ireo hiatrika fanadinam-panjakana.

Hisy arak'izany ny fampafantarana manerana ireo sekoly manodidina an'Antananarivo amin'ny alalan'ny projection film ny boky arahim-peo mandritra ity volana martsa ity. Tsy adino ny fampirantiana sary izay efa mahazatra etsy amin’ny lapan’ny Tanana Analakely manomboka ny 26 ka hatramin’ny 29 martsa ho avy izao.

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.