Fianarantsoa : Tao anaty delestazy no niainan’ny mponina tamin’ny kartie sasany izany horohorotany izany

  • jeudi, 12 janvier 2017 11:41
  • Sary nindramina fampihaingoana

Saron'ny resaka horohorontany avokoa ny vaovao hafa misy eto an-toerana noho izy nanaitra tsy nampoizina ary nampitaintaina ny ankabetsahan'ny olona teto Fianarantsoa. Tsy vitsy ny mpiaramonina no nivoaka ny trano nifampanontany sy nifampiarahaba tsy maty fo aman’aina taorian'iny tranga voajanahary iny.

Tsy mbola ahenoana fahasimbàna aloha teto an-tanàna hatreto fa poa-basy kosa no vao maika nampitebiteby ny rehetra teny amin'ny manodidina ny Fokontanin'i Talatamaty sy Bateravola, taoriana kelin’iny horohorontany iny.

Mbola ao anatin'ny fanadihadihana momba izany ireo mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao. Fa hatreto dia maro ireo mitantara ny zavatra niainany milaza fa toy ireny mpangalatra manozongozona ny varavarana ireny ny fisehon'iny horohorontany mafy iny.

Misy tamin'ireo mponina teto Fianarantsoa no niaina izany tranga izany tao anaty haizina tanteraka vokatry ny delestazy.

Commentaires (3)
  • Publix Free Amoxicillin Viagra GСЂС–РІВ©nСЂС–РІВ©rique QuСЂС–РІВ©bec [url=http://cialtobuy.com]cialis[/url] Prezzo Cialis Farmacia Svizzera
    jeudi, 12 octobre 2017 15:31
  • Cheapest Viagra Soft 100 Mg [url=http://genericviabuy.com]viagra[/url] Amoxicillin Photosensitivity Effetti Cialis Discount Cheap Macrobid Best Website Internet
    lundi, 02 octobre 2017 06:42
  • Where To Buy Lasix In Australia [url=http://buytadalaf.com]cialis[/url] Vende Viagra
    samedi, 08 juillet 2017 20:27
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa