Fitsaram-bahoaka : Halatra dokotra roa sy vilany iray no namoizany aina
- jeudi, 12 janvier 2017 10:12
- Sary Sobika Mahajanga
Lehilahy iray 40 taona eo, maty niharan’ny fitsaram-bahoaka teny amin’ny faritry ny oniversite Mahajanga androany tokony ho tamin’ny roa ora maraina.
Niditra ny Campus Ambondrona izy, rehefa avy nangalatra ka nosamborin’ny mpianatra. Gana dokotra roa sy vilany iray no tratra teny aminy.
Raha ny fizahana nataon'ny mpitsabo dia vokatry ny kapoka nahazo azy teo amin'ny lohany, izay niteraka fahaverezan-drà be loatra, no nitarika fahatesan'ity rangahy ity.
Mponina teny Antanambao Sotema izy raha ny fahafantaran'ny olona azy ary mpatsaka rano no asany. Naterina eny amin'ny tranom-paty ao amin'ny hopitalibe Androva ny razana, miandry ny havany.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
View the embedded image gallery online at:
http://sobikamada.com/sociale/item/11260-fitsaram-bahoaka-halatra-dokotra-roa-sy-vilany-iray-no-namoizany-aina.html#sigProGalleriae5064bf74c
http://sobikamada.com/sociale/item/11260-fitsaram-bahoaka-halatra-dokotra-roa-sy-vilany-iray-no-namoizany-aina.html#sigProGalleriae5064bf74c
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.