Andron’ny manamboninahitra : Ny minisitry ny fiarovana no nitarika teto Antsirabe
- jeudi, 12 janvier 2017 09:46
- SarySobika Antsirabe
Niavaka ny fankalazana ny “Andron’ny Manamboninahitra” ho an’ny sekoly ambonin’ny Akademia. Tonga marobe ireo manamboninahitra eran’i Madagasikara niatrika izany, notarihin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rasolofonirina Beni Xavier.
Fety telo sosona moa no hankalazaina anio eto Antsirabe satria tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekolin’ny manamboninahitra eto Antsirabe izany, no hisy koa ny fanehoana ambany faneva ireo mpianatra vao niditra tamin’ny faran’ny taona iny, ankoatry ny maha Andron’ny manamboninahitra ny 12 janoary ity.
Hisy ny sary vongana goavam-be hotokanana anio, eo am-pidirana ny vavahadin’ny ACMIL.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
View the embedded image gallery online at:
http://sobikamada.com/sociale/item/11254-andron%E2%80%99ny-manamboninahitra-ny-minisitry-ny-fiarovana-no-nitarika-teto-antsirabe.html#sigProGalleriaae13f1ee98
http://sobikamada.com/sociale/item/11254-andron%E2%80%99ny-manamboninahitra-ny-minisitry-ny-fiarovana-no-nitarika-teto-antsirabe.html#sigProGalleriaae13f1ee98
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.