Pastora Dr Rakotonirina David : Tokana tsy mivaky ny FLM

  • lundi, 09 janvier 2017 17:40
  • Sary Sobika Sambava

Tsy misy pastora voaongana. Voavela ny helok'izy rehetra. Tsy misy sinodam-paritany SPAVA Vaovao fa tokana tsy mivaky ny FLM. Tsy misy fanomezan-dalana fisintahana Fiangonana fa averina amin'ny fiangonana reniny izy rehetra.

Ireo ny famintinana ny fandaminana nataon’ny filohan’ny FLM Pastora Dr Rakotonirina David taty SAVA.

Ho an’Andapa dia afindra ao amin’ny fitandremana Bemanevika Fileovana Sambava ny pastora Berger. Averina ao amin'ny fiangonana reniny ireo mivavaka ao amin’ny Lycée mixte. Ao Ampanefena dia nampihavanina ny Kristianina sy ny pastora Théophile.

Eto Sambava afindra toerana any Ampahana fileovana Antalaha ny pastora Niry. Averina ao Ampandrozonana ireo mivavaka ao amin’ny Business Center.

Anjaran'ny biraon'ny sinodam-paritany ny mamerina ireo Kristianina nisintaka. Ao anatin'ny fandeferana, famelan-keloka ary fametrahana ambony ny tenin'Andriamanitra no itondrana ny fandaminana rehetra.

Niantso ny mpitondra Fanjakana tsy hanome alalana ny fanokafana Fiangonana misintaka ny filohan’ny FLM Pastora Dr Rakotonirina David.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa