Fantatrao ve : Fitanana am-ponja vonjy maika

  • jeudi, 05 janvier 2017 21:38
  • Tahirin-tsary fampihaingoana Sobika Maroantsetra

Misy namana manam-pahaizana momba ny raharaham-pitsarana hitondra amintsika fanazavana tsotsotra momba ny resaka fitanana am-ponja.

Miteraka resa-be ny fizotry ny fisamborana sy fitànana vonjimaika any am-ponja. Koa ilaina ny mitondra izao fanazavana tsotsotra manaraka izao.

Rehefa voasambotra teo am-panaovana heloka (tratra am-bodiomby na "pris en flagrant") ny olona iray; na koa misy mitory dia ADIDIN'NY PÔLISY, na ZANDARY na koa BIANCO no manao famotorana. Io no atao hoe "FAMOTORANA SAVARAVINA" na "Enquête Préliminaire".

Fahefan'izy ireo no mitazona ilay olona AHIAHIANA ("suspect") ao amin'ny "VIOLON" mandritra ny 48 ora.
Tapitra io fe-potoana io dia TSY MAINTSY ENTINA EO ANATREHAN'NY TONIA MPAMPANOA LALàNA ("Procureur de la République") eo anivon'ny Fitsaràna ilay olona AHIAHIANA("Suspect").
Io ilay antsoina hoe : "déferrement".

Ny TONIAN'NY FAMPANOAVANA ("Procureur de la République") na ireo MPITSARA MPAMPANOA LALàNA ("Substitut du Procureur") eo ambany fiadidiany no mamaritra ny loham-piampangàna anenjehana ilay olona arakaraka ny zava-niseho. Tsy mahaleo tena anefa izy amin'izany fa AZON'NY MINISTRY NY FITSARàNA BAIKOINA. Izay ilay atao hoe "principe de la subordination hiérarchique" ary ny Lalàmpanorenana ("Constitution") mihitsy no mametraka an'izany.

Rehefa voafaritra io loham-piampangàna ("chef d'inculpation") io dia izay ilay olona AHIAHIANA ("suspect") vao antsoina hoe "VOAMPANGA" ("inculpé").

Raha Heloka tsotra ("délit" na fandikàn-dalàna mety iharan'ny sazy hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina) na koa Heloka Bevava ("crime") mety iharan'ny sazy Asa an-Terivozona ("Travaux Forcés) hatramin'ny 20 taona no anenjehana ilay VOAMPANGA dia AZON'NY FAMPANOAVANA ATAO ny mampiditra azy vonjimaika any am-ponja. Io didy mampiditra am-ponja vonjimaika io no atao hoe "DIDY FAMONJàNA" ("MANDAT DE DEPÔT").

Raha ny FAMPANOAVANA no mamoaka io DIDY FAMONJàNA (Mandat de dépôt) io dia 03 VOLANA NY FAHARETANY. Izany hoe, 03 volana fara-fahatarany dia TSY MAINTSY ALEFA TSARAINA eo anatrehan'ny Fitsaràna Ady Heloka Tsotra ("Tribunal Correctionnel") ilay voampanga!...Raha dila izay fe-potoana 3 volana izay dia TSY MAINTSY AVOAKA NY FONJA IZY.

Amin'ny Heloka Bevava ("crime") kosa dia TSY MAINTSY MAMOAKA NY atao hoe "DIDY FANDRAISANA AM-BATANA"(Ordonnance de prise de corps) NY FAMPANOAVANA AMIN'NY FAHATAPERAN'NY FE-POTOANA 3 VOLANA. Io "DIDY FANDRAISANA AM-BATANA" io no misolo ilay DIDY FAMONJàNA ("Mandat de dépôt") tetsy aloha ary itànana vonjimaika indray ilay Voampanga any am-ponja mandra-pitsara azy eo anatrehan'ny Fitsaràna Ady Heloka Bevava (Cour criminelle).

Raha HELOKA BEVAVA METY IHARAN'NY SAZY ASA AN-TERIVOZONA MANDRA-PAHAFATY ("Travaux Forcés à Perpétuité") toy ilay vono olona tany Antsohihy, ohatra, ny loham-piampangàna anenjehan'ny FAMPANOAVANA ilay Voampanga, dia TSY MAINTSY ALEFA any amin'ny MPITSARA MPANAO FAMOTORANA ("Juge d'Instruction") ny raharaha.

Midika izany fa TSY MAINTSY MANAO FANADIHADIANA LALINA ny zava-miseho ilay MPITSARA MPANAO FAMOTORANA. Mandritra izany famotorana lalina izany dia Fahefan'ny MPITSARA MPANAO FAMOTORANA ("Juge d'Instruction") ny mitazona am-ponja na tsia ilay Voampanga arakaraka ny raharaha. Ny faharetan'ny DIDY FAMONJàNA ("Mandat de dépôt") avoakany dia 8 VOLANA. Afaka halavaina 6 volana miampy 4 volana izany raha toa ka mitarazoka ny famotorana.

Izany hoe, raha tapitra ny 18 Volana kanefa mbola tsy vita ny famotorana, dia TSY MAINTSY AVOAKA NY FONJA ilay Voampanga.

Rehefa vita kosa moa ny famotorana dia alefa hotsaraina ny raharaha ka toy ny teo aloha dia "DIDY FANDRAISANA AM-BATANA" ("Ordonnance de Prise de Corps) indray no avoaka hisolo ny DIDY FAMONJàNA ("Mandat de Dépôt") mba hitànana vonjimaika ilay olona any am-ponja mandra-pahatongan'ny Fitsaràna azy.

Marihana fa 30 volana fara-fahaelany no ahafahana mitazona ny Voampanga any am-ponja amin'ny alalan'io DIDY FANDRAISANA AM-BATANA io.

 

Commentaires (2)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa