Ilempona : Fiara sprinter iray nifatratra tamina kamiao

  • mardi, 03 janvier 2017 11:26
  • Sary Sobika Antsirabe sy sary nindramina

Nandriaka ny rà tamin’ny lalam-pirenena faha 7 ny harivan’ny alatsinainy 2 janoary 2017. Fiara spriter iray avy any Tsarazaza-Fandriana no nifandona tamin’ny kamiao avy any Antananarivo, teo avaratr'Ilempona tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany tany ho any.

Vokany: 3 no maty tsy tra-drano ka ny mpamily ilay sprinter ny iray ary mpandeha ny roa, araka ny tatitra azo.

Nentina novonjena tao amin’ny hopitaly Andranomadio ireo naratra ka roa no maty teo ampahatongavana ary roa hafa indray taorian’ny fandraisana azy ireo. Olona 9 hafa manaraka fitsaboana akaiky noho ny dona mafy tamin’ny lohany ka ny 3 amin’ireo dia mbola ahiana ny ainy.

Tafakatra 7 izany no namoy ny ainy tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity izay miaramila sy ny vadiny ary ny zanany vavy 7 taona no telo tamin'izany. Voa mafy ihany koa ny mpamily ilay kamiao, izay nalefa notsaboina any Antananarivo. Marihina fa 21 ny mpandeha tao anatin’ity spriter ity.

Commentaires (2)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa