Bazary May - Ankirihiry Toamasina : May ny 01 janoary 2017 misasakalina

  • lundi, 02 janvier 2017 14:36
  • Sary Sobika Toamasina

Hatairana ny an’ny rehetra tamin’ny nisehoan’ny loza nahatsiravina nahamay ny tsenan’Ankirihiry taty Toamasina ny alina teo tamin’ny 12 ora sy sasany tany ho any.

“Mbola may koa ny bazary Ankirihiry”.
Efa fanindroany mantsy izao ny nahamay ity toerana ity, satria tamin’ny taona 2008 dia efa may koa izany tsena izany. Vola tsy toko tsy forohana no fatiantoka tamin’izany satria saiky mpanao asa tanana sy mpivarotra na lasopy na koa zava-pisotro misy alikaola sy ny hafa no tamin’io toerana io ankoatra ireo olona mipetraka ao.

Tokantrano teo amin’ny 60 isa teo no indray nafoy tsy nisy noraisina ny alin’iny hoy ny filoha lefitra ny fokontany cité Haras parcelle 11/31 izay teo an-toerana nandritra ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana. Ary tokantrano iray nisy olona efa mamomamo nandrehitra afo labozy tsy voafehy no niantombohan’ny fahamaizana.

Tonga ara-potoana ihany ny fiaran’ny mpamonjy voina raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ka tamin’ny roa ora maraina teo ho eo dia voafehy tanteraka ny afo.

Eo anatrehan’izany dia samy efa nijery ifotony ny zava-misy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny aty an-toerana no sady nanome torohevitra ireo olona amin’ny fepetra haingana itazomany ny taniny satria efa zava-nisy tamin’ny fahamaizan’ity tsena ity tany aloha ny fisian’olon-tsy fantatra manararaotra ny fahamaizana toy izao ka avy hatrany dia mitonona ho tompon’ny tany indray.

Manao antso avo amin’ireo malala-tanana sy tompon’andraiki-pahefana ihany koa ireo tra-boina sy ny fokontany mba hijery akaiky ity toe-javatra tena maha ory sy maha sahirana azy ireo ity satria araka izany dia tsy nisy azo noraisina ireo tra-boina ireo, ny andro rahateo raha taty Toamasina maina be ka dia vetivety be ny fihitaran’ny afo tsy nahavitana nitarazoka fa avy dia ny aina no novonjena.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa