Sociale

    • dimanche, 08 janvier 2017 16:58
    • Photo d'Archives Sobika

    Grâces présidentielles 2017

    PRESIDENCE DE LA REPUBLIQUE-----DECRET N°2017- 019portant octroi de grâces générales à l’occasion de la nouvelle année 2017 LE PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE,Vu la Constitution,Sur rapport du Garde des Sceaux, Ministre de la Justice,DECRETE :
    Lire la suite ...
    • vendredi, 06 janvier 2017 13:05
    • Tahirin-tsary Sainte Marie

    Distrikan'i Sainte-Marie : Tera-tany vahiny 6 no maty ny taona 2016

    Vao niandoha ny taona 2016 lasa iny dia efa nitrangana faty olona. Tera-tany frantsay 53 taona, nanantona ny tendany tamin’ny tady tao an-tranony taty Sainte-Marie, noho ny famoizam-pony tamin’ny fandaozan'ny sakaizany azy. Teo koa anefa ilay famonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’i Romain sy Magalie izay mpiaro ny trozona mandalo aty Sainte-Marie isan-taona. Mbola eo am-pelatanan’ny fitsarana Toamasina ny raharaha na efa nahazo fahafahana vonjy maika aza ilay tera-tany frantsay sy ilay tale-na banky voaroiroy tamin’izao raharaha izao. Olona dimy hafa mbola mifonja vonjy maika ao Ambalatavoahangy amin’ity raharaha ity.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 05 janvier 2017 21:38
    • Tahirin-tsary fampihaingoana Sobika Maroantsetra

    Fantatrao ve : Fitanana am-ponja vonjy maika

    Misy namana manam-pahaizana momba ny raharaham-pitsarana hitondra amintsika fanazavana tsotsotra momba ny resaka fitanana am-ponja. Miteraka resa-be ny fizotry ny fisamborana sy fitànana vonjimaika any am-ponja. Koa ilaina ny mitondra izao fanazavana tsotsotra manaraka izao. Rehefa voasambotra teo am-panaovana heloka (tratra am-bodiomby na "pris en flagrant") ny olona iray; na koa misy mitory dia ADIDIN'NY PÔLISY, na ZANDARY na koa BIANCO no manao famotorana. Io no atao hoe "FAMOTORANA SAVARAVINA" na "Enquête Préliminaire". Fahefan'izy ireo no mitazona ilay olona AHIAHIANA ("suspect") ao amin'ny "VIOLON" mandritra ny 48 ora.Tapitra io fe-potoana io dia TSY MAINTSY ENTINA EO ANATREHAN'NY TONIA MPAMPANOA LALàNA ("Procureur de la République") eo anivon'ny Fitsaràna ilay olona AHIAHIANA("Suspect"). Io ilay antsoina hoe : "déferrement".
    Lire la suite ...
    • jeudi, 05 janvier 2017 08:42
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Mitsidika an'i SAVA ny Filohan'ny FLM

    Voatery nidina aty SAVA omaly ny Filohan'ny FLM, Pastora Dr Rakotonirina Davida, manoloana ny fivakivakisan'ny Fiangonana Loteriana Malagasy aty amin’ny faritra SAVA ka ny eto Sambava no natao voalohany. "Ry Kristiana malala, aza lany andro manamelo-tena, aza lany andro manameloka ny tenanao, aza lany andro manameloka ny Pastoranao ary aza lany andro mifanameloka ry Pastora isany oh.Tsy renao ve fa atolotra anao izao ny famelan-keloka? Lavinao ve fa omena anao anio famelan-keloka ?" hoy ny Pastora nanao antso avo manoloana iza ady eo anivon'ny FLM izao
    Lire la suite ...
    • mardi, 03 janvier 2017 11:26
    • Sary Sobika Antsirabe sy sary nindramina

    Ilempona : Fiara sprinter iray nifatratra tamina kamiao

    Nandriaka ny rà tamin’ny lalam-pirenena faha 7 ny harivan’ny alatsinainy 2 janoary 2017. Fiara spriter iray avy any Tsarazaza-Fandriana no nifandona tamin’ny kamiao avy any Antananarivo, teo avaratr'Ilempona tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany tany ho any. Vokany: 3 no maty tsy tra-drano ka ny mpamily ilay sprinter ny iray ary mpandeha ny roa, araka ny tatitra azo.
    Lire la suite ...
    • lundi, 02 janvier 2017 14:36
    • Sary Sobika Toamasina

    Bazary May - Ankirihiry Toamasina : May ny 01 janoary 2017 misasakalina

    Hatairana ny an’ny rehetra tamin’ny nisehoan’ny loza nahatsiravina nahamay ny tsenan’Ankirihiry taty Toamasina ny alina teo tamin’ny 12 ora sy sasany tany ho any. “Mbola may koa ny bazary Ankirihiry”.Efa fanindroany mantsy izao ny nahamay ity toerana ity, satria tamin’ny taona 2008 dia efa may koa izany tsena izany. Vola tsy toko tsy forohana no fatiantoka tamin’izany satria saiky mpanao asa tanana sy mpivarotra na lasopy na koa zava-pisotro misy alikaola sy ny hafa no tamin’io toerana io ankoatra ireo olona mipetraka ao. Tokantrano teo amin’ny 60 isa teo no indray nafoy tsy nisy noraisina ny alin’iny hoy ny filoha lefitra ny fokontany cité Haras parcelle 11/31 izay teo an-toerana nandritra ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana. Ary tokantrano iray nisy olona efa mamomamo nandrehitra afo labozy tsy voafehy no niantombohan’ny fahamaizana.
    Lire la suite ...
    • samedi, 31 décembre 2016 21:21
    • Tahirin-tsary Sobika Toamasina

    Fisoratam-panambadiana 2016 : Nahatratra 511 ny teto Toamasina, ka vahiny nanambady Malagasy ny 118 tamin’ireo

    Nisy fihenany 10% eo niohatra ny tamin’ny taon-dasa ireo niroso tamin’ny fisoratam-panambadiana teo anivon’ny Kaominina ambonivihitr’i Toamasina tamin’iny 2016 nivalona iny. Tamin’ireo 511 vita soratra dia vahiny nanambady Malagasy ny 118 ka saika Frantsay ny ankamaroany, ary 393 kosa ireo samy Malagasy nifanambady. Ho an’ny fisaraham-panambadiana kosa dia niisa 49 no efa namoahan’ny Fitsarana didim-pitsarana. Ankoatra ny fijangajangana izay mitana ny loha-laharana amin’ny antony fisarahana dia misy ny mitsoaka tsotra izao ny tokantrano.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 30 décembre 2016 11:41
    • Sary Sobika Sambava

    Antohomaro - Sambava : Mpanjono iray hita faty teo amondron-drano

    Dafotsy Severin, raim-pianakaviana 43 taona, no hita faty teo amoron-drano omaly mitatao vovonana. Mpanjono roa lahy handeha hanjono no nahita ny razana nitsikafona teo, ka nampandre ny tany an-tanàna izay vao samy taitra ny fianakaviana rehetra izay nanana raim-pianakaviana tsy tao an-trano satria foto-piveloman’ny olona eto amin’ny Fokontany Antohomaro, Kaominina Farahalana ny jono. Mbola nisy nahita azy teto an-tanàna ny alarobia tamin’ny 6ora hariva ka tombanana hoy ny maro fa mety ho mangiran-dratsy no nandehanany niandriaka mba handeha hanjono.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 30 décembre 2016 11:39
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Ambodisandra, Kaominina Andreamalama : Olona roa matin’ny dahalo, miaramila roa takalon’aina

    Miaramila roa notanan’ny dahalo, olon-tsotra roa lavon’ny balan’ny mpanafika, naverin’ireo dahalo ny basy telo andro aty aoriana… Hafahafa ihany ! Tao amin’ny Fokontanin’Ambodisandra, Kaominina Andreamalama, Distrikan’Isandra no nitranga ny raharaha ny alin’ny Krismasy hifoha alatsinainy lasa teo. Miaramila miisa dimy avy ao amin’ny DAS na ny « Détachement Armé de Sécurité » no nanaradia niaraka tamin’ny Fokonolona rehefa nahazo koka tao amin’io fokontany io.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 30 décembre 2016 11:21

    Namorona – Mananjary : Zandary « Chef de Poste Avancé » matin’ny fitsaram-bahoaka, iray hafa naratra mafy

    Namorona – Mananjary : Zandary « Chef de Poste Avancé » matin’ny fitsaram-bahoaka, iray hafa naratra mafy Zandary iray, dia ny GP2C Fanambina Marcellin, « Chef de Poste Avancé » ao amin’ny Kaominina Ambanivohitr’i Namorona, Distrikan’i Mananjary no maty novonoin’ny andian’olona nitaky fitsaram-bahoaka ny 29 desambra 2016 tamin’ny 9 ora sy sasany noho ny nanatanterahany an-tsakany sy an-davany ny asany. Zandary iray hafa koa no naratra mafy tamin’izany. Ny 29 desambra 2016 tamin’ny 1 ora maraina, nandritra ny fisafoana tanàna nataon’ny Zandary niaraka tamin’ny filohan’ny Fokontany dia voasambotra ny lehilahy iray izay nokarohana noho ny fandoroana trano nataony rehefa avy nifoka rongony.
    Lire la suite ...
Page 8 sur 107
B1 - Polyclinique
B2 - Toa