Sociale

    • lundi, 19 juin 2017 19:46
    • Sary Sobika

    26 jona - Stade Mahamasina: Esorina amin'ny trano fonenany ireo mpiasan'ny Kaominina

    Hatramin'ny niakaran'i Filoha Rajaonarimampianina teo amin'ny fitondrana, dia rà mandriaka hatrany ny teo Mahamasina isaky ny miditra ao izy. Mandritra ny fankalazana ny fahaleovan-tena ny 26 jona izao, dia ho esorin'ny fitondrana amin'ny trano fonenany ireo mponina mpiasan'ny Kaominina izay mipetraka ao amin'ny Stade Mahamasina. Mitaraina izy ireo satria tsy maintsy miala ao ny 25 jona izao, satria dia atahoran'ny fanjakana sao avy ao amin'izy ireo no miainga ny fanapoahana baomba sy grenady, araka ny voalazan'ny mpitondra fanjakana.
    Lire la suite ...
    • samedi, 17 juin 2017 12:48
    • Sary Njaka

    Arendrina taratasy

    Efa mihavitsy tanteraka ny mpanjifa azy, kanefa dia mitobaka eran’ny tsena ireo mpivarotra ny Arendrina taratasy vita Malagasy. Izay efa matin’ireo kilalao na ireo jiro vita sinoa, izay mahasarika ireo ankizy Malagasy tokoa. Heri-taona lasa anefa ireo mpanao asa-tanana no efa manamboatra azy io satria dia mila fotoana tokoa, nefa fotoana fohy ihany koa no amarotana azy, izay tsy fantatra ny tsena raha andeha na tsia.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 17 juin 2017 10:39
    • Sary Sobika Mahajanga

    Mahajanga: Nitondra solo-tsakafo ho an’ireo mpino silamo ny ASSANATI FAMO GIDRAKA

    Hetsika efa fanaon’ity fikambanana ity ny manampy ara-tsakafo ireo mpino silamo, indrindra rehefa fotoan'ny Idy sy ny fifehezana ny andron’ny Ramadany. 100 mahery ireo mpino silamo nozaraina solon-tsakafo ity, ka ireo olona efa nahazo taona no nezahin’ny fikambanana nomena ireo fanampiana ireo. Hitohy amin'ny fizarana arendrina ho an’ireo ankizy sahirana ao anatin’ny fokontany 26 eto Mahajanga indray ny hetsika mialohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona izao.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 16 juin 2017 21:38

    Soanerana Ivongo: Le Maire accusé de détournement de deniers publics et abus de fonction

    Le Maire de Soanierana Ivongo a été déféré par le Bianco au TPI Toamasina pour détournement de deniers publics et abus de fonction. En début d’année 2017, le Bureau Indépendant Anti-Corruption (BIANCO) aurait été saisi par une doléance anonyme, dénonçant les agissements du Maire de la Commune Rurale de Soanierana Ivongo qui aurait encaissé pour son compte personnel les recettes de la Commune. Les Investigateurs de la Branche du Bureau de Toamasina se seraient dépêchés sur les lieux et auraient initié, sans attendre, les investigations s’y rapportant.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 16 juin 2017 21:32

    Soanerana Ivongo: Le Maire accusé de détournement de deniers publics et abus de fonction

    Le Maire de Soanierana Ivongo a été déféré par le Bianco au TPI Toamasina pour détournement de deniers publics et abus de fonction. En début d’année 2017, le Bureau Indépendant Anti-Corruption (BIANCO) aurait été saisi par une doléance anonyme, dénonçant les agissements du Maire de la Commune Rurale de Soanierana Ivongo qui aurait encaissé pour son compte personnel les recettes de la Commune. Les Investigateurs de la Branche du Bureau de Toamasina se seraient dépêchés sur les lieux et auraient initié, sans attendre, les investigations s’y rapportant.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 14 juin 2017 21:40
    • Sary Njaka

    HJRA Anosy: Andro iraisam-pirenena ho an'ny fanomezan-drà

    Isaky ny 14 jiona no ankalazana ny andro manerantany ho an’ny mpanome ra antsitra-po. Eto Madagasikara dia mankalaza izany ihany koa izay natao tetsy amin’ny Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha. Nisy moa ny lohahevitra nobanjinina tamin’izany indrindra tamin’ity taona ity dia ny hoe "Ny fanomezan-dra manoloana ireo voina tampoka ka amaliana ny fanontaniana hoe ny azo atao? Manomeza rà, manomeza hatrany." Koa manentana ny vahoaka Malagasy mba hiroso amin’ny fanomezan-drà antsitra-po ahatratrarana ny tanjona napetraky ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana na ny OMS dia ny hoe fampiasana rà 100 isan-jato avy amin’ireo mpanome rà an-tsitrapo manerana izao tontolo izao amin’ny taona 2020. Tsy mijanona ny 14 jiona fotsiny izany fanomezan-drà izany fa misy hatrany ny fandraisana izay afaka miroso amin'izany mandavan-taona.    
    Lire la suite ...
    • mardi, 13 juin 2017 20:54
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava: Harato tsy manarapenina mirefy 400 metatra nodorana ampahibemaso

    Harato miisa 04, mirefy 400 metatra eo no nodorana androany atoandro teo amoron’ny farihy Antohomaro, natrehin’ny Inspecteur de Pêche avy tany Antsiranana sy ny Talem-paritry ny Jono aty SAVA Rabezandry Bruno. Saron’ny Vondron’Olona Ifotony ireo mpanarato mampiasa itony harato tsy manarapenitra itony, izay mifaoka hatramin’ireo zanatrondro madinika, ka hahalany tamingana ireo hazandrano ao anatin’ity farihy ity. Tanora enin-dahy no tra-tehaka nanarato teny, ny alatsinainy 12 jiona tamin’ny 10 ora alina. Nisy trondro milanja 60kg eo koa sarona niaraka tamin’izy ireo. Tazonina vonjimaika eny amin’ny Zandary Sambava izy ireo hatao famotorana.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 12 juin 2017 22:00
    • Sary Sobika

    CNTEMAD: Miatrika fanadinana

    Manomboka androany ny fanadinana eo anivon’ny CNTEMAD – Centre National du Télé-Enseignement de Madagascar, ka tsy hifarana izany raha tsy ny alarobia ho avy izao. Raha ny ao amin’ny LMA Ampefiloha manokana dia ny filière Droit no miadina ao, izay ahitana mpiadina 3800, ary ahitana taranjana enina. Maro anefa ireo toeram-panadinana toy ny JJ Rabearivelo, CEG Nanisana, Lycée Faravohitra. Milamina tsara araka izany ny fizotran’ny fanadinana hoy Ramatoa Harimalala Voahangy Nirina izay mpiandraikitra ny Centre régional Antananarivo.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 12 juin 2017 16:15
    • Sary Sobika Toamasina 2

    Ambodirina Toamasina 2: Nojeren'ny mponina alavitra fotsiny ireto mpitondra

    Leo fampanantenana poakaty ny vahoaka'Ambodirina Toamasina faha-roa amin'ny faharatsian-dalana, vokatry ny fitaterana kraoma. Ny harena lasa avokoa, nefa ny miverina tsy misy. Tonga taty amin'ny Kaominina Ambodiriana Toamasina 2 ny minisitra Narison sy ny Minisitra Joanita nametraka ny vato fehizoron'ny famokarana jiro ary nankalaza ny andro manerantany momba ny tontolo iainana, izay notronin'i député Toamasina 2 ary ny Sefo Distrika Toamasina 2 sy ny Ben'ny Tanàna Kaominina Toamasina 2, ny andro sabotsy 10 jona teo. Ratsy tokoa ny lalana, tondraka ny rano ary lakana kely no nitsenan'ireo manampahefana aty an-toerana ireto vahiny. Hita fa nitazan-davitra fotsiny ny vahoaka, fa ry zareo samy delegasionina no nanamaro isa teo. Mibitsika moa ny maro hoe, mba ataovy lakamby aloha ity lakana hazo ity vao miresaka zavatra hafa, sa ampanantena inona eto indray ity fitondran'i Rajaonarimampianina ity?  
    Lire la suite ...
    • lundi, 12 juin 2017 15:42
    • Sary nomena

    RN5: Tsy misy mpijery ny lalana Soanerana Ivongo - Mananara - Maroantsetra

    Lasa toerana hanaovana fampielezan-kevitra fotsiny ny lalana mampitohy an'ny Soanerana Ivongo - Mananara - Maroantsetra, ka dia fampanantenana hatrany no re amin'ireo zay mandalo aty, nefa dia hijaliana tokoa ny lalana, tsy mivoaka ny vokatra, miakatra ny vidin'entana noho ny faharatsian'ny lalana. Raha sendra misy marary dia maty an-dalana. Leo fampanantenana izahay, nefa ny harenanay hoy ny mponina aty, raha tsy hilaza afa-tsy ny kafé, jirofo, lavanila, bois de rose, lasa ambongadiny tsy misy miverina aty aminay ny tombony.  
    Lire la suite ...
Page 7 sur 130
B1 - Polyclinique
B2 - Toa