Sociale

    • mardi, 09 mai 2017 20:37

    Ambatovy met gratuitement les bois usagés de sa mine à la disposition de la fédération FIMIAM

    Par souci de conservation de la nature et afin de maximiser les retombées positives de ses activités sur les communautés riveraines, Ambatovy met gratuitement à la disposition de la fédération des entités formelles Ampitambe (FIMIAM) des bois usagés venant de sa mine à Moramanga pour que cette dernière les recycle de manière professionnelle et écologiquement responsable. La première livraison estimée à environ 10m3 de bois usagés s’est tenue à Ampitambe, à Moramanga, le 28 avril 2017. Ces bois contribueront à l’amélioration des sources de revenus des membres de ladite fédération une fois transformés et revalorisés. A noter aussi que suivant une convention entre FIMIAM et la commune rurale d’Ambohibary, 20% des bois seront destinés à ladite commune pour être transformés en meubles de bureau par le Lycée Technique de Moramanga.
    Lire la suite ...
    • mardi, 09 mai 2017 16:02
    • Sary Sobika Sambava

    Famatsiana : Tsy misy intsony ny vary eto Sambava

    Mikiakiaka sy mitaraina ny mponina aty SAVA indrindra eto Sambava fa efa tsy eran’ny aina intsony ny fanararaotana ataon’ny mpivarotra amin’izao ankatoky ny taom-piotazana lavanila izao ka nampiakatra ny vidim-bary. Nanomboka tamin’ity herinandro ity izao dia efa 800 Ariary ny iray kapoaka raha toa ka 600 Ariary izany teo aloha. Manoloana izany dia nanao be midina androany maraina ry zareo avy ao amin’ny sampandraharam-paritra misahana ny varotra nijery ifotony io toe-javatra io, nitsirika ireo trano na mangazay fitehirazam-bary sao misy manafina ary nanadihady ny anton’io fiakaram-bidy io ka hijerena ny vahaolana mba hampitony ny vahoaka.
    Lire la suite ...
    • mardi, 09 mai 2017 15:39

    Marolambo : Manao tafika masina ny adventista

    Ny fampianarana ny mahaolona sy ny fanabeazana ary ny fampivoarana ara-tsosialy. Ireo no loha-hevitra nentin’ny Fiangonana Adventista mitandrina ny andro fahafito nanentanana ireo mponina tany amin’ny Distrikan’i Marolambo nandritra ny herinandro lasa teo. Ho fanampiana ny fiaraha-monina amin’ny hametrahana fomba fiaraha-miaina vaovao sy ho fitoriana ny Filazantsara no tena tanjon’ny Fiangonana Adventista amin’izao hetsika nataony izao.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 mai 2017 14:03
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : 800 Ariary ny vary iray kapoaka

    Mitaraina ny mponina manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana ary amin’izao dia niakatra tampoka ny vidim-bary, 800 Ariary ny iray kapoaka. Ny fahitan’ny mpivarotra azy dia efa manomboka mivarotra lavanila ny tantsaha na dia tsy mbola misokatra ny taom-piotazana no voalaza fa anton’izao fiakaram-bidin’ny vary sy ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro izao. 110.000 - 130.000 Ariary (550 000 - 650 000fmg) ny kilaon’ny lavanila maitso amin’izao ary tombanana ho 1 800 000 Ariary (9 000 000 fmg) ny kilao n'ny lavanila masaka.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 mai 2017 15:00
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Fianarantsoa : Entanina amin'ny resaka fananan-tany ireo mpianatra amin'ny oniversite

    Nanokana tapak'andro maraina ity sabotsy 6 mey ity ny tetikasa LAMINA mba hanofanana ny mpianatra eny amin'ny oniversite eo amin'ny lalàna mifehy ny fitompoana ny tany. Isan'izany ny resaka fandovana, ny fanamaintisa-molaly, ny didy miafina. Natao izany mba ho fampihenana ireo ady tany hita eny amin'ny fiaraha-monina ka ireo tanora ireo no andrasana ho mpanazava ny sain'ny mpiara-belona raha sendra tranga mampifanolana. Izy ireo ihany koa no entanina mba handray andraikitra hanao fitarihana ny olona ho eny amin'ny ivontoerana misahana ny fananan-tany raha misy ny olana miteraka disadisa. Mitohy amin'ny toerana maro eto an-tananan’i Fianarantsoa izao hetsika fanofanana sy fampahafantarana izao.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 mai 2017 12:47
    • Sary Sobika Antsirabe

    Antsirabe : Notolorana solosaina hiofanany ireo jamba

    Solosaina miisa 10 no natolotra sy hampiofanana ireo jamba eto Antsirabe, ka olona 10 isan'andro no hianatra ao, izay hiofana mandritra ny 6 herinandro raha ny nambaran'Atoa Ratobimiarana Haingo, mpandrindra ny tetikasa Voatra Asa eto Antsirabe. Tanjona ho azy ireo ny hanofana jamba hatrany amin'ny 70 isa ka ho afaka hiasa amina sehatra maro mihitsy izy ireo aorian'ny fahavitan'ny fiofanana ataony mba tsy ho vesatra eo amin'ny fiaraha-monina.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 05 mai 2017 10:20

    Mahajanga : Efa tsy mazaka ireo voafonja intsony ny foto-drafitrasan’ny Fonjan’i Marofoto

    Miisa 1039 ireo voafonja ao amin’izao fotoana izao, ka vehivavy ny 40 amin’ireo. 566 ireo voanfonja miandry ny fitsarana ary 473 ireo efa nandalo fitsarana. Raha ny zava-misy anefa dia 400 ihany ny voanfonja zakan’ny foto-drafitrasa. Sahirana arak’izany ireo mpandraharahan'ny fonja amin’ny fandrindrana ireo olona voafonja, indrindra amin’ny fotoana hidiovan’izy ireo ka voatery alefa tsikelikely mba hisorohana ny mety ho fanararaotana hitsoaka aty ivelany araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fonja aty Mahajanga, Randriamanantena Jean Claude.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 mai 2017 20:47
    • Photos Njaka

    Hôtel Colbert: Alliance Parlementaire Malagasy pour la sécurité Alimentaire et nutritionnelle

    L'Organisation des Nations unies pour l'alimentation et l'agriculture, connue sous le sigle FAO a organisé avec le Sénat un atelier pour la sécurité Alimentaire et nutritionnelle. Un énième réunion et atelier, mais les Malagasy restent toujours sous-alimentés et importent encore du riz, base de l'alimentation. A quand, le régime en place va exploiter les millions d'hectares du pays pour cultiver, au lieu de se réunir et dépenser de l'argent dans un hôtel huppé de la place, et regarder des slides rétro-projecteurs, et faire des discours, suivis d'un cocktail.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 mai 2017 20:38
    • Sary Sobika Mahajanga

    OTIV Boeny : Manadio tena ny Tale

    Naneho ny heviny ny Tale mpitantana teo aloha, Rasolofomanana Andriatiana raha nitafa tamin’ny mpanao gazety mikasika ny tena fototry ny olan’ny OTIV Boeny eto Mahajanga. Nilaza izy fa “olana ara-teknika no sendrain’ny OTIV Boeny ». Raha ny zava-misy, hoy izy, dia « betsaka ireo mpindram-bola tao no tsy mbola namerina ny vola tao amin’ny OTIV ka izay no antony nampikoroso fahana ity orinasa mpampindram-bola ity ka tonga amin’izao olana misy izao ».
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 mai 2017 19:40
    • Sary Sobika Sambava

    SAMBAVA : Nifarimbona nanadio ny foiben’ny TVM /RNM ny mpanao gazety

    Io no nisantarana ny fanamarihana ny 03 mey, Andro manerantany ho an’ny Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Ambohimpihaonan’ny mpanao gazety teo Amborintsy nanao tantsoroka nanadio ny fako navelan’ny rivodoza ENAWO. Taorian’io dia nisy dinika nijerena inona ny sakana amin’ny fanantaterahana izany asa fanaovan-gazety izany aty amin’ny Faritra SAVA izany. Nivoitra teto fa mbola miaina ao anaty teritery ary matetika tratran’ny fandrahonana indrindra avy amin’ireo mpanao politika ny mpanao gazety aty SAVA. Niarahana nijery ny vahaolana ary natolotra ireo mpitondra Fanjakana.  
    Lire la suite ...
Page 6 sur 125
B1 - Polyclinique
B2 - Toa