Sociale

    • samedi, 07 avril 2018 21:12
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Dama: Namaly babena ny Sekoly Seminera Mandaniresaka Antsirabe nianarany

    Manamarika ny famaranana ny fankalazana ny faha-50 taona nijoroany ny Sekoly Seminera Mandaniresaka-Antsirabe. Isany nanamarika izany ny valan-dresaka niarahana tamin'i Dama (Mahaleo). Lohahevitra novoaboasany tamin'ireo tanora mpianatra tao amin'ity sekoly ity ny "valibabena ho an'ny taniko", inona no tokony hataontsika ho an'i Madagasikara, izay nahitana soa ka tokony ho valiana soa.
    Lire la suite ...
    • samedi, 07 avril 2018 20:50

    Climate school: Fanentanana mahakasika ny fiovaovan’ny toetrandro an-tsekoly

    Io no hetsika entin’ny sampandraharaham-paritry ny tontolo iainana sy ny haivoahary ary ny ala miady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ato anatin’ny faritra Boeny. Sekoly 19 nanaovana fanentanana sy nandray anjara tamin’ny diabe, radio crohet ary slam. Omaly no nizarana ny loka ho an’ireo mpandresy teny amin’ny Complexe Sportif Ampisikina notronin-dRamatoa minisitry ny tontolo iainana sy ny haivoahary ary ny ala, Ndahimananjara Johanita. Ankoatra ny fitaovana fikarakarana zaridaina azon’ny laharana voalohany dia hitsidika ny valan-javaboahary Ankarafantsika ihany koa ireo mpianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina La Bonne Etoile androany.
    Lire la suite ...
    • samedi, 07 avril 2018 15:21
    • Photos fournies

    Sakaraha: Le CHRD doté d’un nouveau bloc opératoire

    Désormais, les patients de Sakaraha, dans la Région Atsimo Andrefana, et des zones périphériques n’auront plus besoin de rejoindre Toliara pour les opérations chirurgicales classiques, ainsi que pour les accouchements par césarienne. C’est une nouvelle avancée dans le cadre de l’amélioration de la qualité des services et des soins de proximité dans ce District qui compte environ 169 000 habitants.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 05 avril 2018 20:15
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Vakinankaratra: 22% ny tahan’ny fahazoana rano fisotro madio

    Manomboka androany 5 aprily eto Antsirabe ary haharitra hatramin'ny 7 aprily ny fankalazana ny Andron'ny rano, izay tokony ho natao tamin’ny 22 marsa. Fampiratiana sy famelabelaran-kevitra no nanamarihana izany, nanoloana ny lapan'ny tanànan'Antsirabe. Isan'ireo faritra manankarena rano i Vakinankaratra, hoy Rakotonirina Raijavola, Talem-paritry ny Rano sy ny Angovo ary ny akoran'afo Vakinankaratra, kanefa dia mbola ambany ny tahan'ny fahazoana rano fisotro madio ho an'ny mponina satria raha 27% eo ho eo ny taha ambony indrindra eran'i Madagasikara dia vao 22% ny an'i Vakinankaratra manontolo, ka mbola ilàna ezaka goavana ny fanatanterahana izany sy ny fiarovana ireo tahirin-drano misy.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 avril 2018 18:57
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Aretina lefakozatra : Midina ifotony mitily ireo manana fahasembanana

    Na eo aza ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fanafoanana tanteraka ny lefakozatra (Polio) dia mbola misy kosa ireo efa mitondra takaitra tamin’izany aretina izany ka mila fitsaboana. Isan’ny mandray an-tanana izany ny Hopitaly CRMM Antsirabe na ny « Centre de Rééducation Motrice de Madagascar ». Misy ny hetsika fitiliana ifotony ataon’izy ireo any ambanivohitra lavitra any ka isan’ny nanaovana izany ny Kaominina Andranomanelatra androany alarobia 04 aprily. Tsy ireo kilonga intsony no tiliana fa ireo rehetra manana fahasembanana amin’ny rantsam-batana, ka aorian’ny fitiliana dia miakatra aty Antsirabe ireo tena hita fa mila fandidiana.
    Lire la suite ...
    • mardi, 03 avril 2018 13:52
    • Photos fournies

    Ambanja - Antsiranana: La galère des usagers de la RN6

    Les dégâts causés par le passage des cyclones Dumazile et Eliakim dans la partie nord de l’île sont lourds. Les réhabilitations s'annoncent longues. La galère des usagers de la RN6 perdure. Il y a qu'un transbordement entre Ambanja et Ambilobe mais la vraie galère c’est à partir d’Ambilobe. Tout est payant, même le passage sur les ponts flottants en bambou. Les pirogues c’est 3.000 Ariary la traversée de 5 minutes. De Nosy Be à Antsiranana, il faudra débourser environ 120.000 Ariary. (Voir suite Photo ou Album)
    Lire la suite ...
    • samedi, 31 mars 2018 12:03
    • Photos fournies

    Enseignement: 1769 Chefs ZAP dotés de kit de travail et tablette numérique

    Les 1769 Chefs de Zones d’Administration Pédagogique (ZAP) étaient en regroupement national à Antananarivo du 28 au 31 mars. Ils sont issus des 22 DREN (Directions Régionales de l’Education Nationale), en charge de 57.490 écoles.
    Lire la suite ...
    • samedi, 31 mars 2018 09:53
    • Sary nomena

    Maroantsetra: Fizarana “Water Maker” fanadiovana ny rano

    Nandray anjara ireo mpilatsaka antsitrapo FJKM tamin’ny fanentanana niaraka tamin’ny Unicef sy ny ministeran’ny rano ary ny Distrika, tamin’ny fizarana “Water Maker” fanadiovana ny rano tsy azo antoka ho sotroin’ny mponina mba tsy hampihanaka ny aretina tao aorian'ny rano be teto Maroantsetra. (Jereo Tohiny sary)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 29 mars 2018 16:17
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Antsirabe: Sima sy vaky lanilany miisa 150 tsaboina maimaimpoana

    Mitohy hatrany ny asa fandidiana maimaimpoana ataon'ny Santé Plus Antsirabe sy ny fikambanana Les enfants de Noma avy any Frantsa. Nanomboka ny 20 marsa teo ny fandidiana ary nitohy hatramin'ity herinadro ity. Ireo manana fahasamponana toy ny sima sy vaky ny lanilany moa no nanaovana fandidiana tamin'ity andiany faha-5 ity, ka raha ny fanazavana netin'ny Dr Rakotoson Benjamina dia nahatratra 150 mahery ireo nandalo fitiliana tao amin'izy ireo, ka ny 70 mahery no nodidiana tamin'izy ireo ka nisy 58 no notoranina mihitsy vao vita ny fandidiana. Mbola misy 30 mehery no hovitaina aorian'ny fetin'ny Paska. Mpitsabo teratany vahiny no misahana ny fandidiana miaraka amin'ny mpitsabon'ny "Santé Plus" Antsirabe, ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo marary aorian’izany dia andraikitr’ireto farany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 29 mars 2018 14:58
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Fahatsiarovana ny 29 martsa: Nofaranana tamin’ny nofon-kena mitam-pihavanana ny teto Mahajanga

    Ankoatra ny hetsika fanao mahazatra ho fahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947, dia niavaka ny teto Mahajanga satria nasaina manokana ireo bekotro maro holatra, akanga sisa nanamborana, sy ireo beantitra niaraka nisakafo teny amin’ny efitrano malalaky ny sampandraharaham-paritry ny Polisim-pirenena teny Mangarivotra. Notolorana solom-bodiakoho isan’olona ihany koa izy ireo. Nosantarina tamin’ny fanompoam-pivavahana niraisam-pinoana teny amin’ny EKAR Masindahy Xavier Mahabibo ny hetsika. Avy eo nihazo ny zaridaina Cayla nanatanteraka ny lanonana ara-miaramila sy ara-panjakana ary fanaterana fehezam-bonikazo teo amin’ny tsangambaton’ny Mahery fo.
    Lire la suite ...
Page 4 sur 154