Sociale

    • mercredi, 01 février 2017 08:46
    • Sary Sobika

    Ambodin'Isotry: Fanampiana ara-tsakafo ireo mpianatra

    Ho fanampiana ara-tsakafo ireo ankizy mpianatra ao amin’ny masera Sainte Theresa Ambodin’isotry dia notolorana olona tsara sitrapo sakafo sy atody manodidina ny zato eo ho eo. Izany dia natao fanomezana ho an’ireo ankizy sahirana taizan-dry masera eny an-toerana.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 janvier 2017 12:31

    Mahanoro : Six voleurs arrêtés

    Six bandits armés ont été arrêtés, ce weekend, par les éléments du commissariat de la Police Nationale de Mahanoro. Pour la petite histoire, sept bandits dont Letoro et Popoly ont attaqué un vendeur de girofle, résidant à Ambohitsara , Commune urbaine de Mahanoro, District de Mahanoro même. Aucune perte en vie humaine ni blessé à déplorer. Toutefois, ces voleurs ont mis la main sur une somme assez considérable de 5 millions d’Ariary. Le téléphone portable d’un des voleurs est tombé lors d’une course poursuite avec la Police, ce qui a permis aux forces de l’ordre de remonter jusqu’aux principaux auteurs du vol.
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 janvier 2017 09:44
    • Sary Njaka

    OJM: Fifampiarabana tratry ny taona

    Notanterahana tetsy amin’ny gymnase Ankorondrano ny lalao izay nokarakarain’ny OJM na ny Ordre des Journalistes de Madagascar. Lalao izay natao ho fampiraisana ireo mpanao gazety ary koa ho fifampiarabana tratry ny taona 2017. Nilamina an-tsakany sy an-davany ny fifaninana, ka norombahin’ny MIDI Madagascar ny amboara teo amin’ny taranja basket-ball izay nadavo an’ny ekipan’ny TVplus. Lavon’ny ambasadin’ny Amerika kosa ny ekipan’ny Vidi-varotra tamin’ny lalao famaranana, izay nisaraka tamin’ny isa 3 no 2 teo amin'ny taranja baolina kitra. Nohamafisina tamin’izany ihany koa ny sary famatarana ny OJM vaovao izay natolotry ny filoha mpitarika Gerard RAKOTONIRINA.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 29 janvier 2017 16:36
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Raharaha Ivoamba : Tsy manaraka ny fifanarahana ny fanjakana

    Taorian'ny fivoriambe tamin'ny fokonolona tany Ivoamba dia nisy fifanarahana nifanaovan'ny mponina any an-toerana sy ny solontenam-panjakana miaro ny fandraharana Sinoa. Natrehan'ny fiarahamonim-pirenena izany sy ny mpanolontsain'ny faritra. Ireto no tapaka tao anatin'ny fihaonana: Etsy ankilany dia aato ny asa fitrandrahana vahiny rehetra mba hisian'ny firesahana an-databatra boribory. Etsy andaniny dia mampitsahatra ny firesahana amin'ny haino amanjery ny fokonolona mivondrona ao anatin'ny antsoina hoe Zamana. Ho tambin'izany fahanginana izany dia atsahatra ny asa fametrahana ny Madarunch sy izay fandraharahana avy any ivelan'ny Distrika rehetra.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 29 janvier 2017 16:24
    • Photo Sobika Fianarantsoa

    Fianarantsoa : Les natifs de Majunga se mobilisent

    Les natifs de Mahajanga résidents et affectés à Fianarantsoa se mobilisent pour rassembler les siens. Le Nouvel An est l'occasion idéale pour se rassembler et rappeler pour la première fois leur fraternité. Aucune structure institutionnelle n'est encore mise en place pour répondre à cet élan communautaire. Cette année est de ce fait celle de la consolidation de leur social dans la capitale du Betsileo. Une trentaine de membres se sont retrouvés vendredi dernier pour célébrer le "taom-baovao". Ils espèrent agrandir ce nombre d'ici 2018.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 29 janvier 2017 15:55

    Transfert monétaire dans le sud : le Ministère de la population demande l’ouverture d’une enquête

    Le Ministère de la Population, de la Protection sociale et de la Promotion de la Femme prend acte des informations rapportées à la presse par des représentants du Fokontany d’Antanimora, Ambovombe. Ces derniers dénoncent des actes de détournement concernant le dispositif de transfert monétaire que doit bénéficier la population dans cette localité. Dans un communiqué, le Ministère de la Population précise que le Fokontany Antanimora à Ambovombe ne figure pas parmi les localités ciblées par le programme gouvernemental Vatsin’Ankohonana coordonné par le Ministère de la Population et mis en exécution par le FID. Le même communiqué précise que le programme appliqué à Antanimora à Ambovombe est assuré par le PAM (Programme Alimentaire Mondial). Ce dispositif ne porte pas l’intitulé Vatsin’Ankohonana, ni Fiavota et ne relève pas du Ministère de la Population qui n’a toujours pas été informé de cette action malgré une précédente communication.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 29 janvier 2017 15:49

    JIRAMA Mahajanga : Naharitra 426 ora ny fahatapahan-jiro nandritra ny taona 2016

    Nivoitra io nandritra ny tatitra nataon’ny sampan-draharahan’ny jiro sy rano Malagasy eto Mahajanga. Araka ny nambaran’ny talem-paritry ny Jirama Rabevahoaka Bruno dia olana teo amin’ny famatsiana solika no fototry ny fahatapahan’ny herinaratra. Misy ny tetikasa fanorenana foibe famokarana herinaratra avy amin’ny riandrano ao Maevatanana sy herinaratra azo avy amin’ny masoandro izay kasaina hapetraka ao amin’ny distrikan’Antsohihy sy Port-Berger hamahana io olan’ny delestazy io, hoy hatrany Rabevahoaka Bruno.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 janvier 2017 22:14
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Herisetra natao an'i Benaivo : Miditra antsehatra ny vondron'ny Tanala eto Fianarantsoa

    Roa andro ny faharetan'ny fampijaliana nataon'ny mampiasa an'i Benaivo ka ny lehiben'ny Fokontany no nandray andraikitra vao nitsahatra izany. Ny Kaomisera lehiben'ny sampana ao amin'ny zotran-dalamby FCE kosa no namaha ny rojo sy fatorana nitazona azy tsy ho afaka manohitra. Raha tsiahivina moa, dia entana very tao amin’ny Epi-Bar iasan’ilay tovolahy, noho ny vaky trano nitranga ny 20 janoary 2017, no nampisafoaka ilay mpampiasa, ka nitazonany an'i Benaivo ho tompon’antoka tamin’izany, na nandà mafy izany aza ny tovolahy. Ka tamin'izany no nanondrahan'ity mpampiasa azy ity rano mangotraka.
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 janvier 2017 10:52
    • Sary Sobika Sambava

    Ambatofitatra Sambava : Mpangalatra lavanila voasambotry ny Fokonolona

    Lavanila telo gony no tratra teny aminy omaly, nangalariny tany Ankadirano Kaominina Marojala saingy tany Ambatofitatra Sambava vao tratra izy rehefa nifanenjehana. Niaiky ilay rangahy fa halatra ny lavanila tratra teny aminy, ary ao Besopaka Sambava no mpandray ny entana. Nifona ary niangavy hatolotra ny mpitandro ny filaminana izy saingy tsy nanaiky ny Fokonolona. Nentin’ny Fokonolona any amin’ny tanàna nisian’ny halatra ilay mpangalatra, ahiana ny fitsaram-bahoaka.
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 janvier 2017 10:42
    • Sary nomena

    Fampijaliana : Notondrahan’ny mpampiasa azy rano mangotraka ilay tovolahy mpiasany

    Entana very tao amin’ny Epi-Bar iasan’ilay tovolahy, noho ny vaky trano nitranga ny 20 janoary 2017, no nampisafoaka ilay mpampiasa, ka nitazonany ilay mpiasa lahy ho tompon’antoka tamin’izany, na nandà mafy izany aza ilay tovolahy. Naterin'ilay mpampiasa tany amin’ny mpitandro ny filaminana avy eo noloarana tany indray, izy koa moa mpitandro ny filaminana, ary niharan’ny fampijaliana mahery vaika nataon’ny mpampiasa azy ilay tovolahy. Notondrahana rano mangotraka, ka may hatrany an-doha hatrany amin’ny filahiana. Lehibe ny fahavoazana, ary nitsovaka tanteraka.
    Lire la suite ...
Page 3 sur 107
B1 - Polyclinique
B2 - Toa