Sociale

    • lundi, 20 mars 2017 14:25
    • Sary nomena

    Vohibato: Nifananao Tsitsika ny vahoaka manoloana ny ady amin'ny dahalo

    Nanao Tsitsika niraisana ireo mponin'ny Vohibato ao anatin'ny Kaominina 16 rehefa samy resy lahatra amin'ity tsy fandriampahalemana ity. Izany dia natrehan'ireo Ben'ny Tanàna na ny solontenany avy isaky ny Kaominina. Tomponkevitra tamin'izany moa ny Solombavambahoaka lany tao amin'ny Distrikan'i Vohibato ny Colonel RANDRIANATOAVINA Jean Martin. Nisy ny vono omby sy kabary fanozonana izay rehetra mikasa hanao ratsy ao Vohibato. Nanaraka ny fepetra ara-drazana ity hetsika ity ka niafara tamin'ny Saotsa, fomba fanao aty Vohibato io. Nanambara ny Solombavambahoaka Martin fa ho fongorina tanteraka ny asa ratsy aty Vohibato na asan-dahalo na politika maloto ka nifampitsitsihina teto. Velombolo ny mponina satria endrika iray hamerina ny hasin'ny fandriampahalemana eto Vohibato ny Tsitsika izay efa nisy tany aloha fa nisy nanapotika taty aoriana.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 20 mars 2017 11:11
    • Photo: bngrc-mid.mg

    BNGRC : Un outil de propagande ?

    A cause de l’eau accrue après le passage du cyclone Enawo, des milliers de sinistrés se trouvent encore dans des situations critiques au niveau des différents Districts éloignés. Figure parmi eux celui de Manjakandriana, le District le plus touché au niveau de la région d’Analamanga avec un lourd bilan de 8 morts et des centaines de sinistrés. Par conséquent, des voix appelant à l’aide et au secours s’élèvent ici et là. « Mais que fait le gouvernement avec le BNGRC ? Qu’est-ce qu’ils attendent pour venir en aide aux sinistrés et à ces pauvres gens ? Ou bien leurs déplacements ne servent-ils qu’à leur propagande ? » Questionne un député de Madagascar élu à Antananarivo.
    Lire la suite ...
    • lundi, 20 mars 2017 09:22
    • Tahirin-tsary Sobika

    CAF : Ny tsiambaratelon’i Ahmad

    Herinandro aty aorian’ny fifidianana dia mbola tsy afaka ambavan’ny maro manerana an’izao tontolo izao ny nahavoafidy an’i Ahmad, izay filohan’ny Federasionan’ny kitra malagasy na Fmf, ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Konfederasiona afrikanin’ny baolina kitra na ny Caf mandritra ny efatra taona. Ho an’ny mpiray tanindrazana na ny mpanao gazety dia nizarazara be ihany ny hevitra. Tao ireo faly fa lasan’ny tera-tany malagasy ny toerana ary miandrandra fanavaozana, eo koa ireo faly fa tsy mitantana ny Fmf intsony i Ahmad. Maro mantsy no mihevitra fa noho ny tsy fahombiazan’ny Fmf no tsy mampandroso ny kitra malagasy. Teo ihany koa ireo izay manenjika fotsiny an’ i Ahmad ka manatsatso ny ezaka vitany ary mihevitra fa tsy dia misy dikany io fahalaniany eo anivon’ny Caf io. Tsy tonga tonga ho azy anefa io fahalanian’i Ahmad io fa misy antony maromaro ireto izay ho tanisana eto satria tsara ho fantatry ny mpanaraka ny kitra malagasy.
    Lire la suite ...
    • samedi, 18 mars 2017 20:34
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Soalala : Fiarovana ny Angonoky

    Anisany ireo biby ahiana ho lany tamingana ny karazana sokatra Angonoky eto Madagasikara izay tsy hita raha tsy ao amin’ny Distrikan’i Soalala, Faritra Boeny. Ao amin’ny « Baie de Bale » no tena ahitana azy ireo. Hifanome tanana hiaro ireo biby ireo ny Durell, Madagascar National Park ary Madagasikara Voakajy, izay fikambanana misehatra amin’ny tontolo iainana. Hiara hiasa amin’ny vahoaka ireo mpiara miombon’antoka ireo amin’ny fanomezana loharanom-baovao haingana raha mahita olona manondrana an-tsokosoko Angonoky.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 mars 2017 22:50
    • Tahirin-tsary Sobika Fianarantsoa

    Fianarantsoa: Nandray ny fifonana i Naivo fa nitazona ny fitoriana

    Miverina any am-ponja eo am-piandrasana ny didim-pitsarana ny 20 aprily ho avy izao ilay manam-boninahitra polisy vavy voampanga nahavanona vono sy ratra an-tsitrapo tamin'i Naivo. Nahazo fahafahana vonjy maika kosa ny lehilahy iray fiampangana taminy. Niaiky heloka ilay polisy vavy sy ny iray tsikombakomba taminy. Voaporofo nandritra ny Fitsarana ihany koa fa nifona sy niezaka nanao raharaham-pihavanana izy ireo. Nitsabo an'i Naivo ihany koa etsy an-daniny. Saingy nitazona ny fitoriana hatrany i Naivo niharan'ny herisetra.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 mars 2017 21:38
    • Photos Sobika Sambava

    Sambava : Potiky ny rivodoza ENAWO ny ankamaroan’ny sekoly any ambanivohitra

    Nanomboka nanao tsipaipaika ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra na FRAM tao amin’ny EPP Antanambao Besahimbo, Kaominina Nosiarina androany mba hanarenana ny sekoly izay potika. Hatramin’izao mantsy dia tsy mbola afaka niverina manohy fianarana ny ankizy noho fahasimban’ny foto-drafitrasan’ny fampianarana, koa raha hiandry izay fampanantenana avy amin,ny fanjakana na avy etsy sy eroa, hoy izy ireo dia mety ho taona fotsy mihitsy ny fianarana aty aminay.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 mars 2017 20:31
    • Sary Sobika Mahajanga

    Mahajanga : Betsaka ireo razana tsy alain’ny havany eny amin’ny fasam-bazaha eny La Corniche

    Ny kaominina Mahajanga no mitantana ny toerana ary raha ny fitsipika mifehy azy io dia herintaona ihany no afaka apetraka ao ny razana, toy ny fasana anirotra. Misy efa aman-taonany maro anefa ny razana tavela ao, tsy alain’ny havany. Miantso ireo manana havana milevina ao La Corniche ny Kaominina Mahajanga mba haka ny razan’izy ireo rehefa tapitra ny fotoana ahafahana mametaka izany ao fa manome fahasahirana ny hafa ny fibahanana ny toerana ao.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 mars 2017 11:45
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Mahajanga : Tovolahy iray, 22 taona, maty voapoizina

    Tao amin’ny Fokontany Tsararano Anosikely no nitranga ity tranga nampalahelo nahafatesana tovolahy 22 taona ity. Niaraka tamin’ny namany, nisotrosotro tany amin’ny Bar izy. “Avy hatrany dia nalemy tsy afa-nitsangana izy ary nivoaka faroratra teo amin’ny vavany”, hoy ireo nahita azy. Nifamonjen’ny olona nentina teny amin’ny hopitaly Androva ilay tovolahy, izay efa tsy nahatsiaro tena intsony. Teny an-dalana anefa dia voalaza fa tapitra ny ainy, ny alarobia tamin’ny 4 ora maraina.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 15 mars 2017 22:45
    • Photos Njaka

    Centre d’Immatriculation Ambohidahy : Deux personnes placées sous MD pour corruption

    Ayant été saisi d’une doléance sur des faits suspectés de corruption perpétrés par un réseau opérant au niveau du Centre d’Immatriculation Ambohidahy (CIM), le BIANCO a agi et a arrêté les membres dudit réseau après avoir surveillé et observé son mode opératoire. Les enquêtes du Bureau Indépendant d’Ambohibao ont été achevé cette semaine et ont mis en exergue des faits de faux et d’usage de faux en écriture publique connexe à des faits de corruption passive et active dans la réception des demandes et transformation de permis et cartes grises biométriques et de mutation et immatriculation de véhicules. Plusieurs actes d’investigation ont été effectués, notamment des fouilles, des auditions, des perquisitions et des mesures de garde à vue.
    Lire la suite ...
    • mardi, 14 mars 2017 21:47
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Mitaky vola 3 000 Ariary isan-trano mba hamerenana ny jiron’ny JIRAMA

    Mbola maro ireo faritra tsy misy jiro eto Sambava taorian’ny rivodoza Enawo, raha toa ka efa nisy nandeha hatramin’ny 10 mars 2017. Mitaraina ny mponina amin’ireo faritra tsy mbola manana jiro fa tsy mety hanao laharampahamehana ny famerenana ny jiro ny mpiasan’ny Jirama raha tsy mandoa vola. Vokatr’io dia misy ny fanangonam-bola, ka raha ny tao Mangarivotra Fokontany Ambodisatrana 2 dia 3 000 Ariary isa-tokantrano ny vola takiana, mba hividianana tariby hanoloana ireo tapaka tamin’ny fandalovan’ny rivodoza. Nanipika mazava anefa ny mponina amin’io faritra io fa tsy ny mpiasan’ny Jirama no nitaky vola fa ny mponina ihany no nanapa-kevitra ny hanolotra izany any amin’ny mpiasan'ny Jirama mba hataon’zy ireo lohalarana ny famerenana ny jiro any amin’izy ireo.  
    Lire la suite ...
Page 2 sur 113
B1 - Polyclinique
B2 - Toa