Sociale

    • samedi, 21 octobre 2017 20:32
    • Photo Fournie

    Environnement: 1000 hectares de forêts sauvées avec des « fatana mitsitsy » chaque année

    Les familles qui utilisent les « fatana mitsitsy » ont réduit de 47% leur consommation en charbon, et 31% leur consommation en bois de chauffe. Selon les analyses de WWF, la vulgarisation et la sensibilisation à l’utilisation des « fatana mitsitsy » permet de préserver environ 1000 hectares par année de forêt naturelle de la baie d’Ambaro, district d’Ambilobe. Et une nouvelle campagne de vente se prépare déjà en 2017 - 2018 pour des résultats encore meilleurs.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 21 octobre 2017 20:26
    • Sary Sobika Ambatondrazaka

    Voly voatabia: Tandindomin-doza ny aty Alaotra

    Ahiana hitotongana hatrany amin’ny an-tsasany (50%) ny vokatra amin’ity taona ity amin’ny afitsoky ny karazana lolo izay manimba sy manapotika ny voly voatabia aty Alaotra amin’izao fotoana izao. Ny lagaly no aretina mpahazo ny voatabia hatramin’izay fa sambany ity fisian’ny lolo mpanimba voly ity, ary lasibatra hatramin’ny voly laisoa ihany koa. Velaran-tany 2000 hekitara any ho any no rakotra voatabia isan-taona aty Alaotra. Tafakatra 22.000 Ariary ny iray kesika, rehefa tsara ny tsena. Nisy ny atrik’asa notanterahana ny alakamisy 19 oktobra nijerena izay mety ho vahaolana hiadiana amin’io karazana lolo mpanimba voly io.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 20 octobre 2017 18:20
    • Sary Sobika Mahajanga

    Campus Ambondrona: Nodiovin'ny mpiasan'ny oniversite ny bloc

    Taorian'ny nanesorana ireo mpianatra rehetra teny amin'ny bloc, toy ny hita amin'ny sary ny korontana sy loto tavela miparitaka etsy sy eroa. Nanadio ireo bloc ireo sy ny tao anatin'ny campus ireo mpisan'ny oniversite rehetra ary nanao désinsectisation mba ho fisorohana ny aretina pesta. Nisy ireo entan'ireo mpianatra mbola tavela tany anaty efitrano ka natokana tamin'ny gony ary naverina tao anaty efitrano ihany avy eo. Anisan'ny fepetra tsy voahajan'ireo mpianatra ny fahadiovana sy fanadiovana ny toerana honenan'izy ireo eny amin'ny oniversite. Tafiditra eny hatramin'ny mpivarotra zava-pisotro mahamamo sy zava-mahadomelina. Ny filohan'ny oniversite Rakotoarivony Andrianony Emmanuel no nitarika ny fanadiovana ary natrehan'ny Tale jeneralin'ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hitohy amin'ny any ivelan'ny campus ny fanadiovana rahampitso.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 20 octobre 2017 16:02

    LTP Ambatondrazaka: Anisan’ireo lisea teknika fito filamatra eto Madagasikara

    Tamin’ny taona 1954 no niorina ny LTP Ambatondrazaka ary efa namoaka olomanga maro. Fanamby ankehitriny ny ahafahan'ny sekoly hiahy tena fa tsy hiantehatra lava amin’ny fanjakana. Nisy ny fampitaovana notaon’ny UNESCO an’ity lisea teknika ity, hanatsarana ny fiofanana omeny.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 19 octobre 2017 22:18
    • Sobika Fianarantsoa

    Pesta - Matsiatra Ambony: 57 no isan'ny olona nahazo fitsaboana ka efa nody any amin'ny toeram-ponenany

    Mitohy ny fandraisana andraikitra amin'ny distrika dimy isehoan'ireo tranga mampiahiahy amin'ny valanaretina pesta. Eo ny fanadiovana, misy ny fandrarahana ranom-panafody mamono parasy, ankoatry ny fanadiovana. Ambonin'izay dia saika manaraka ny fitsaboana avokoa ireo olona noraisina an-tanana eny amin'ny tobi-pahasalamana. 46 no isan'ireo mbola manaraka fitsaboana amin'izao fotoana izao, 57 kosa ireo efa namonjy ny tokantrano sy fiaraha-monina misy azy ireo taorian'ny fandraisana an-tanana.
    Lire la suite ...
    • mardi, 17 octobre 2017 10:20

    Réponse à l’épidémie de peste à Madagascar: 264 jeunes professionnels mobilisés pour renforcer l’hygiène et prévention d’infections dans les hôpitaux de traitement

    264 jeunes professionnels, paramédicaux et étudiants ont été sélectionnés par le Ministère de l’Eau, de l’Energie et des Hydrocarbures pour renforcer le contrôle d’hygiène, l’assainissement et l’accueil dans les huit hôpitaux de traitement de la peste dont 6 à Antananarivo, 1 Toamasina et 1 à Fénerive Est. Ils ont suivi une formation sur les différentes fonctions au sein des centres de triage et de traitement de la peste. La formation suit un format sur des ateliers pratiques pour permettre aux participants d’avoir une connaissance des protocoles nécessaires à la prévention et au contrôle des infections dans un centre de traitement accueillant des malades de la peste. 160 hygiénistes ont pu acquérir les techniques d’hygiène dans la zone d’isolation, les activités de nettoyage de surfaces, des lits, des douches, des latrines et le traitement des déchets hospitaliers.
    Lire la suite ...
    • lundi, 16 octobre 2017 21:14

    FLM: Nahemotra ny fankalazana Jobily noho ny pesta

    Taorian'ny resaka nifanaovan'ny praiminisitra lehiben'ny governemanta Mahafaly Olivier tamin'ny filohan'ny FLM Dr Rakotonirina David androany maraina, dia ahemotra amin'ny fotoana mbola tsy fantatra ny datin'ny KMSL (Komitin'ny Mpiandraikitra ny Synaoda Lehibe) faha-138 izay nokasaina hatao tany Betafo, sy ny fankalazana ny faha-150 taonan'ny FLM sy ny faha-500 taonan'ny REFORMASIONA tokony hatao ny 24 ka hatramin'ny 31 oktobra ho avy izao, noho ny fihanaky ny pesta mahery vaika loatra tato ho ato. Foana toy izany koa ny fampiofanana nokasain'ny Empower hatao tao Antsirabe ny 20 - 21 oktobra izao.
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 octobre 2017 11:48
    • Sary Njaka

    Faritra iva: Misy Voalavo hafahafa loko eny amin'ny faritr'Isotry

    Efa tsy misy mpijery intsony ny mponina ety amin'ny faritra iva, fa zary atao fanaovana propagandy sy taon-dasa tsy tsaroana hatrany. Tsetsina avokoa ny lakan-drano, miavosa ny fako tsy misy mpaka, feno rano maloto ny helakela-trano rehetra, ny mponina rahateo mahantra ny maro. Feno voalavo arak'izany ny tanàna, izay miloko manopy mavokely ka mampiahiahy ny mponina. Tokony hisy ny fanaraha-maso eo anivon'ny fokontany sy ny Kaominina, mba tsy ho variana manondraka ranom-panafody fotsiny, fa hamongotra ireny voalavo ireny ary anala ny fako izay mitoby. Tokony ho mailo ihany koa ny mponina fa misy ny mpisandoka mody mandraraka fanafody kanefa mangalatra ny ao an-tokatrano. Itrangana vakitrano sy tsy fandriam-pahalemana hatrany ireo faritra iva ireo, ka na ny polisy aza tsy sahy miditra eny akory.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 octobre 2017 22:22
    • Sary Sobika Antsirabe

    Antsirabe: Fandidiana maimaipoana

    Toy ny fanaony isan-taona dia natomboka ny andron’ny 09 Oktobra ity indray ny fandidiana maimaipoana ataon’ny hopitaly Santé Plus Antsirabe sy ireo mpitsabo avy amin’ny fikambanana « Les enfant du Noma », avy any Frantsa. Hiavaka ity fandidiana indray mitoraka ity, satria ankoatra ny efa fanaon’ireo manampahaizana avy ao amin’ny fikambanana amin’ny fandidiana ny loha sy ny hatramin’izay dia hisy ny fandidiana ihany koa ny ratsam-batana toy ny felatanana sy ny fela-tongotra, fa eo ihany koa ny fandidiana mihitsy ireo ratsam-batana manana fahasembanana, hoy i Dr Benja, lehiben’ny toeram-pitsaboana Santé Plus. Fa amin’izao vanim-potoanan’ny pesta izao dia misy ihany koa ny fitiliana manokana ireo rehetra tonga miatrika ity fandidiana ity amin’izao fotoana.
    Lire la suite ...
    • lundi, 09 octobre 2017 15:46
    • Sary nomena

    Toamasina: Nandrarahana fanafody avokoa ny Bazar

    Ho tohin'ny ady atao amin'ny pesta dia nientana ireo mpikambana TGV sy ny vondrona Miaraka amin'ny Prezida Andry Rajoelina na Mapar aty Toamasina, nanentana ny olona amin'ny fahadiovana, no nandraraka fanafody iadiana amin'ny pesta manerana ny Tsena rehetra na ny Bazar eto Toamasina ny sabotsy 07 oktobra lasa teo, ny Bazar Be sisa no mbola atao. Nitarika mavitrika tamin'izany moa ny Solombavambahoaka Irmah Naharimamy, izay tsy zoviana amin'ny Faritanin'ny Toamasina intsony ny ezaka fanaovan-tsoa manerana ny Toamasina ataony.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 137
B1 - Polyclinique
B2 - Toa