Marc Ravalomanana: 11 taona androany ny namindrany fahefana tamin’ny Miaramila

  • mardi, 17 mars 2020 15:27
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary nindramina

17 martsa 2009-17 martsa 2020, 11 taona katroka androany no namindran’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana ny fahefana tamin’ny manamboninahitra nanana ny grady ambony indrindra teto Madagasikara tamin’izany. Niala teto Madagasikara io andro io izy ary nialokaloka politika tatsy Afrika Atsimo.

Nihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena nanomboka teo. Ny alin’ny alahady 22 oktobra 2014 i Marc Ravalomanana no niverina an-tanindrazana ary niverina tsikelikely teo amin’ny sehatra politika, taorian’ny nisamborana ka nanokana-monina azy tao amin’ny toby miaramila iray tao Antsiranana.

Nandray an-tanana ny fitantanana ny antoko Tiako i Madagasikara i Marc Ravalomanana. Nandray anjara hatrany tamin’ireo fifidianana demokratika niseho ny antokony, izy ihany koa dia isan’ireo kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2018, ary niatrika ny fihodinana faharoa nifaninana tamin’ny filoha amperinasa ankehitriny Andry Nirina Rajoelina.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.