MFM: Mampivondrona ireo mpiara-mitolona hiatrika ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika

  • lundi, 17 février 2020 19:43
  • Zakaria
  • Loharanom-baovao: Tambatra Antoko

Miomana amin’ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika ny MFM. Mampivondrona ireo mpiara-mitolona efa ela tsy hita sy ireo tany anaty fikambanana samihafa hanatevin-daharana, hanome hery sy tanjaka indray ny MFM ny antoko hiatrehana izany.

Taratr’izany ny lanonana fifampiarahabana nahatratrarana ny taona 2020 nataon'ny mpikatroka MFM tao Fianarantsoa ny sabotsy 15 Febroary 2020 teo.

Nivoitra tamin’ity fihaonana ity fa tsy hanonga-panjakana ny MFM, tsy hanohitra, tsy hiaraka amin'ny antoko mpanohitra, tsy hiandany amin'ny fanjakana fa hitondra hevitra, fomba fiasa hanitsiana ny làlana diso nitondrana ny Firenena.

(Loharanom-baovao: Tambatra Antoko)

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.