Matsiatra Ambony: Hatao miaraka ny fametrahana ny samboadin'ireo Ben'ny tanàna miisa 91

  • dimanche, 16 février 2020 19:49
  • Zakaria

Hotanterahina rahampitso alatsinainy 17 febroary 2020, ao amin'ny Gymnase Couvert Ambatomena, ny lanonana fametrahana samboady ireo tanàna miisa 91 voafidy tamin’ireo Distrika miisa fito (Ambalavao, Ambohimahasoa, Fianarantsoa, Ikalamavony, Isandra, Lalangina, Vohibato) mandrafitra ny Faritra Matsiatra Ambony, tamin’ny fifidianana natao ny 27 novambra 2019.

Hotanterahina amin’io ihany koa no fametrahana ny samboadin'ny Depioten' Isandra sy Ikalamavony.

Teo anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Tsianolondroa no efa voatondro hanaovana ity lanonana ity saingy noho ny fandalovan'ny andro ratsy dia izao afindra ao amin'ny Gymnase Couvert Ambatomena izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.