Ntsay Christian: « Tokony hisokatra amin’ireo teknolojia vaovao ampiasaina amin’ny fambolem-bary isika »

  • vendredi, 14 février 2020 18:21
  • Zakaria
  • Sary nomena

Anisan’ny mampaharary ny vahoaka ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny mosary amina faritra maromaro eto Madagasikara hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, raha nitarika mpikambana ao amin’ny governemanta, nidina tany Betroka, omaly, nijerena akaiky ny sehatra rehetra mahakasika ny fiainam-bahoaka amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny.

Niara-dia taminy, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny minisitry ny Fitsarana, ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.

Iaraha-mahalala, hoy izy, fa mbola manafatra vary avy any ivelany i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nambarany fa miezaka hatrany ny fitondrana mitady vahaolana, ary tsy vitsy ireo hetsika fanarenana fotodrafitrasa efa natao, hahafahana mampiakatra ny voka-pambolena.

Nambarany ary fa haniraka ny minisitry ny Fambolena sy ny Tontolo Iainana hijery ifotony izay lemaka azo hajariana sy izay fotodrafitrasa tokony havaozina na hapetraka, ny tenany ; ary heverina, hoy izy, fa « fotoana tokony hisokafantsika amin’ireo teknolojia vaovao ampiasaina amin’ny fambolena eran-tany », izao, mba hampiakatra ny vokatra azo eto an-toerana, indrindra ho an’ny fambolem-bary izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.