Famerenana fifidianana kaominaly: Miandry ny governemanta ny tetiandro avy amin’ny CENI

  • jeudi, 13 février 2020 14:29
  • Zakaria

Kaominina miisa 24 no haverina ny fifidianana Ben’ny tanàna miaraka amin’ny fifidianana mpanolontsaina. 120 andro aorian’ny naharaisan’ny ministeran’ny Ati-tany ny fampahafantarana ny didim-pitsarana nanambarana ny vokatra ofisialy ny fifidianana kaominaly navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana no voalazan’ny lalàna fa anatanterahana ny famerenana ny fifidianana.

Mbola ny lalàna no manondro fa manao fangatahana volavolana tetiandro avy amin’ny CENI ny governemanta, izay ny CENI vao manolotra ny tetiandro hanatanterahana io fifidianana io.

Lalàna ihany koa no mamaritra fa 90 andro mialoha ny latsabato no iantsoana ny mpifidy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.