Camille Vital: Nanolotra ny taratasy fanendrena azy ho ambasadaoro tamin’ny filohan'i Maorosiana

  • mercredi, 12 février 2020 22:08
  • Tigre
  • Sary: MAE

Tonga tao amin’ny « Château du Réduit » lapam-panjakana maorisiana, androany 12 febroary i Albert Camille Vital, nanolotra ny taratasy fanendrena azy ho ambasadaoron’i Madagasikara ao amin’ny nosy Maorisy, tamin’ny filohan’ny Repoblikan’i Maorisy, Pritvirajsing Roopun.

Ity no marika fa mandray ny asany feno maha ambasadaoro azy i Albert Camille Vital. Folo taona izao i Madagasikara no tsy nanana ambasadaoro tao amin’ity Nosy rahavavy ity.

Tamin’ny 18 septambra 2019 i Albert Camille Vital no voatendry ho ambasadaoro atsy Maorisy. Izy no fahafito hitana io andraikitra io hatramin’ny taona 1968 nisokafan’ny ambasady malagasy ao an-toerana.

Jeneraly miaramila ary efa praiminisitra tamin’ny andron’ny tetezamita i Albert Camille Vital.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.