Antenimierandoholona: Nanatitra fitoriana teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC)

  • mardi, 14 janvier 2020 21:10
  • Zakaria

Nametraka fitoriana teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ny Filohan’ny Antenimierandoholona, androany talata 14 janoary 2020 ; fitoriana izay milaza fa misy ny tsy fahatomombanana hita taratra tamin’ny fanatanterahana ilay fanapahan-kevitra laharana 005-HCC/D3 tamin’ny 13 febroary 2019, izay noraisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, mikasika ireo didy hitsivolana izay nosoniavin’ny Filoham-pirenena nandritra ny fotoana nanomezana azy fahefana hanao lalàna tamin’ny taona 2019, tamin’ny fotoana tsy nampisy ny Antenimierampirenena.

Voalaza ao amin’ilay fanapahan-kevitry ny HCC io fa tokony ampandalovina sy hankatoavina eo anivon’ny Antenimiera roa tonta izany didy hitsivolana izany mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ireo Parlemanta farany teo saingy tsy tanteraka izany.

« Manameloka izany fandikan-dalàna izany » ny Antenimierandoholona.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.