Antananarivo Renivohitra: Hatao ny 16 janoary ny fametrahana samboady an’i Naina Andriantsitohaina

  • mardi, 14 janvier 2020 08:23
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary

Hotanterahina eo amin’ny « Parvis » ny lapan’ny tanàna amin’ny alakamisy 16 janoary 2020 amin’ny 10 ora maraina, ny famindram-pahefana eo amin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny vao voafidy Naina Andriantsitohaina.

Hatao avy hatrany amin’io andro io ihany koa ny fametrahana samboady maha olom-boafidy ny Ben’ny tanàna vaovao, handraisany ny toerany sy hiantsorohany amin’ny asa aman’andraikitra voatondron’ny lalàna mifehy ny vondrombahoakam-paritra.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.