Betafo – Vakinankaratra: Miarahaba an'i Livasoa nivoaka mpandresy i Andriamizaka Lova, kandida mpifaninana taminy

  • lundi, 02 décembre 2019 12:21
  • Zakaria

Randriatahinamalala Livasoa Moratiavina no nahazo isam-bato ambony indrindra teto amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Betafo, Faritra Vakinankaratra tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna natao ny 27 novambra 2019 iny, raha ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI.

Sivy ny kandida Ben’ny tanàna teto Betafo. Kandida tsimiankina « Firaisankina Betafo » ary notohanan’ny antoko Tia Tanindrazana i Livasoa, izay tanora manampahaizana sady mpandraharaha diso fantatra eto an-toerana amin’ny asa soa nataony, ka anisany nifidianan’ny olona azy ary nitondra ho amin'izao fandreseny izao.

« Miarahaba manokana an'i Livasoa N07 nivoaka mpandresy ny tenako, eny na dia tsy mbola ofisialy aza », hoy i Andriamizaka Lova, isany nifaninana tamin’i Livasoa.

« Manaiky ho resy aho », hoy ity kandidan’ny Antoko MMM eto Betafo ity, tamin’ny fanambarana natao tamin’ny tambazotra serasera sosialy facebook.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.