Donakafon'Analakely: Niady ny tombontsoany ny mpiasan’ny CUA

  • vendredi, 08 novembre 2019 22:19
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Notanterahina tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely Antananarivo androany zoma 08 novambra 2019 tolakandro ny "Donakafon'Analakely", adihevitra teo amin’ny Mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo kandida ho Ben'ny Tanàna, dia Ralaiarimanana Eliace (Tsy miankina), Rina Randriamasinoro (TIM), Rakotoarisoa Faniry Alban (APM), Naina Andriantsitohaina (IRK) ary Feno Harison (Tsy miankina).

Voaresaka tamin’izany ny ho fitantanana ny tanàna, ny fifandraisana amin’ny governemanta. Niady izay ho tombontsoan’ny mpiasa ihany koa ireto farany, tamin’ireo kandida izay ho lasa Ben’ny tanàna ny iray amin’izy ireo.

Samy niezaka namaly ny fanontaniana sy ny fanamarihana niantefa taminy avy ireo kandida. Nizotra tamim-pilaminana ny fihaonana na nisedra delestazy ihany koa aza ny fihaonana.

Mpanao gazety roa mirahalahy, Tsitohaina Ramarolahy avy ao amin’ny Radio Nasionaly Malagasy sy Velo Ghislain Arsène avy ao amin’ny Ma-TV/Ma-Laza no nitantana ny adihevitra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.