Tsimbazaza: Handinika ny momba an’i Hasimpirenena sy Ludovic Adrien any am-ponja ireo depiote namany

  • vendredi, 08 novembre 2019 10:08
  • Zakaria

Raha tsy mbola manangasanga eny amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana taona 2020, dia hiroso handinika ny momba ireo solombavam-bahoaka roalahy samy mbola voatana am-ponja, dia Raveloson Ludovic Adrien voafidy tao Mahabo, sy Rasolomampionona Hasimpirenena voafidy tao Fandriana ireo solombavambahoaka manomboka androany.

Voatana am-ponja ao Morondava Menabe nanomboka ny volana aprily 2019 i Raveloson Ludovic Adrien, voarohirohy amina raharaha samihafa toy ny vono olona, ao Antanimora Antananarivo nanomboka tamin’ny volana aprily 2019 ihany koa i Rasolomampionona Hasimpirenena, voarohirohy tamin’ny fivarotana ny tany misy ny « Villa Elisabeth » nonenan’ny Pr Zafy Albert, filoham-pirenena teo aloha.

Samy lany Solombavam-bahoaka tsy nanao fampielezan-kevitra fa samy tany am-ponja avokoa izy roalahy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.