Rina Randriamasinoro: Mitohy ny fitetezana ireo Boriborintany eto Antananarivo

  • dimanche, 27 octobre 2019 18:14
  • Zakaria
  • Sary nomena

Niavaka ny andron’ny sabotsy 26 oktobra ho an’i Rina Randriamasinoro. Fotoana io nampahafantarana sy nanoloran’ny antoko Tiako i Madagasikara azy tamin’ny mponina eny amin’ny Boriborintany niaraka tamin’ireo mpanolotsaina miaraka aminy.

Anjaran’ny tao amin’ny Boriborintany fahadimy sy fahatelo io sabotsy 26 oktobra io, ka teo amin’ny Kianja Maitso Analamahitsy no nanolorana azy ho an’ny Boriborintany fahadimy, tao amin’ny Magro Behoririna kosa ho an’ny Boriborintany fahatelo.

Nanotrona azy ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara, ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sy ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ireo Boriborintany ireo, dia Ralambozafimbololona Fetra sy Ralambomanana Feno, ireto farany izay nisaotra ny mpifidy azy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao farany teo.

Nanentana ny olona havitrika amin’ny fifidianana i Rina Randriamasinoro. « Hiaraka hanao zavatra isika, ary ataontsika fantatry ny rehetra fa misy olona eto fa tsy izay tiana atao no atao eto », hoy izy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.