Solombavam-bahoaka: 2 amin’ny 151 no nanao fanambaram-pananana teny amin’ny HCC

  • lundi, 07 octobre 2019 19:50
  • Zakaria

Andriamanalinarivo Raymond Michel Jocelyn, Solombavam-bahoaka IRD voafidy tao Antananarivo I, no nisantatra ny fametrahana ny tararatasy fanambaram-pananany teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC), tamin’ny 30 aogistra 2019.

Taoriany i Milavonjy Andriasy Philobert, ny Solombavam-bahoaka tsy miankina voafidy tao Ambovombe Androy. Ny 01 oktobra 2019 no tafapetraka teny Ambohidahy ny taratasy fanambaram-pananany.

Ny andininy faha-41 amin’ny Lalampanorenana no manery ny olom-boafidy hanao fanambaram-pananana mialoha ny handraisany ny asany.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.