Antenimierandoholona: Nomen’ny HCC fahefana hanendry Senatera ny filoha Andry Rajoelina

  • mardi, 13 août 2019 21:15
  • Britto

Hita fototra ny fahabangan-toerana eo anivon’ny Antenimierandolona taorian’ny fametraham-pialan’ny Senatera Ravoninahitriniarivo Mbade Jeanine Gabrielle.

Senatera notendren’ny filohan’ny Repoblika ity farany, nirotsaka hofidiana solombavambahoaka tao Maevatanana tamin’ny lisitra tsy miankina izy, tamin’ny fifidianana natao ny 27 mey 2019, ary voafidy ka isan’ireo mandrafitra ny Antenimieram-pirenena mandritra ny dimy taona.

Araka ny didy 49-HCC/AR navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny 13 aogositra 2019, ao amin’ny andininy faharoa, dia omem-pahefana ny filohan’ny Repoblika hanendry Senatera vaovao ho solon’ity Senatera voafidy ho depiote ity, hamenoana ny banga.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.