Governemanta: Iza no voatery handao ny samboben’i Ntsay Christian?

  • lundi, 22 juillet 2019 17:08
  • Britto
  • Tahirin-tsary nindramina

Andrasana amin’ity herinandro ity ny fijoroan’ny governemanta vaovao, tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Hisy ny olom-baovao hiditra raha ny loharanom-baovao. Iza no voatery handao ny samboben’i Ntsay Christian, taorian’ny tomban’ny asa vita tao anatin’ny enim-bolana nisian’ny governemanta voalohany, tamin’izao fitondrana Andry Rajoelina izao ? Mety hotazomina ny isan’ny ministera ho taratry ny fitsitsiana, hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Miankina amin’izay governemanta vaovao hijoro eo rahateo ny fandraisana ny didim-panjakana hiantsoana ny mpifidy raha hotanterahina amin’ny 28 oktobra 2019, araka ny tolo-kevitry ny CENI ihany ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.