Governemanta: Maniry hanana minisitra amin’izay ny FITEFA

  • samedi, 20 juillet 2019 14:30
  • Britto

Anisan’ireo fikambanam-paritra naneho ny hafaliany sy fisaorana ny filohan’ny Repoblika ny FITEFA (Fikambanan’ny Teraky ny Faritanin’Antsiranana) tamin’ny nitazomana amin’ny toerany ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, izay zanaky ny Faritany Antsiranana.

Mangataka ny mba hanendrena amin’izay ny zanaky ny Faritany ho isan’ireo minisitra handrafitra ny Governemanta vaovao ny FITEFA, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety omaly.

Nitanisa antony maromaro nanamafisana izay fangatahana miendrika fitakiana izay i Bekasy Johnfrince, filohan’ny FITEFA, toy ny hoe : miantoka ny 38% ny vola miditra amin’ny kitapombolam-panjana ny Faritanin’Antsiranana noho ny otrikarena ananany.

Voalohany amin’ny famokarana lavanila ny Faritra SAVA, i Nosy-Be (DIANA) malaza manerantany amin’ny fizahantany sy ireo zavamanitra ary ny trano fandraisam-bahiny manara-penitra hita ao aminy. Porofon’izany ny fisian’ny sidina iraisam-pirenena farafahakeliny in-15 isan-kerinandro.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.