Fifidianana: Miala nenina ny Fivondronan’ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka

  • jeudi, 18 juillet 2019 22:22
  • Zakaria
  • Sary nomena

Tonga tao amin’ny Lapan’ny Antenimieran-doholona Anosikely nanatitra ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fivorian’izy ireo tao amin’ny Carlton ny alatsinainy 15 jolay teo, ny Fivondronan’ny olom-pirenena miady amin’ny hosoka, androany. Nitarika ny delegasiona i Rakotonirina Jean Claude Roger. Ny Filoha lefitry ny Antenimieran-doholona avy amin’ny Faritanin’i Toamasina, Malo Benoit no nandray azy ireo tamin’izany.

Nanazava i Rakotonirina Jean Claude Roger fa maro isan-karazany ny hosoka sy ny tsy fahatomombanana hita soritra nandritra iny fifidianana solombavambahoaka notontosaina farany teo iny, ka tsy tokony hirosoana ny fifidianana manaraka eo raha tsy voahitsy ny lalàna mifehy ny fifidianana, mba hanatsarana ny vokatra.

Nambarany fa ny Andrimpanjakana rehetra sy ny Governemanta dia samy hanateran’izy ireo an’io fehin-kevitra io, ho fampahafantarana sy ho fanarenana ny tsy mety rehetra alohan’ny hiatrehana ny fifidianana ho avy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.