Antenimieran-doholona: Nosoloina ireo Senatera roa voafidy solombavambahoaka

  • mercredi, 17 juillet 2019 22:13
  • Britto

Hisolo ny toeran-dRamatoa Ramarosoa Emiline, izay voafidy ho solombavambahoaka tao Amparafaravola tamin’ny anaran’ny vovonana IRD, ao amin’ny Antenimieran-doholona Randriamananjara Philibert izay faharoa tamin’ny lisitra « MIFANASOA » tamin’ny fifidianana senatera tao amin’ny faritanin’i Toamasina.

Randriamanantena Vévé, fahatelo amin’ny lisitra « MAPAR » tamin’ny fifidianana senatera tao amin’ny faritanin’i Mahajanga, kosa no handray ny toeran’ny Velontsara Paul Bert, noho ity farany voafidy ho solombavambahoaka tamin’ny anaran’ny vovonana IRD tao amin’ny Distrikan’i Port Bergé.

Namoaka didy laharana 47-HCC/AR ny 17 jolay 2019 ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana rehefa hita ny fahabangan-toerana tao amin’ny Antenimieran-doholona rehefa voafidy ho solombavambahoaka ny mpikambana roa tao aminy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.