Antenimieram-pirenena: Noraofin’ny IRD avokoa ny toeran’ny filoha lefitra, nanjaka ny miralenta

  • mercredi, 17 juillet 2019 21:37
  • Britto

Voafidy ny tolakandro teo teny Tsimbazaza ireo filoha lefitra enina, isany mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena.

Rasolonjatovo Honoré ho an’ny Faritanin’Antananarivo ; Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Faratsiho, Faritra Vakinankaratra izy.

Rahelihanta Jocelyne, ho an’ny Faritanin’Antsiranana ; Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’Antsiranana I, Faritra DIANA izy.

Rahantanirina Lalao ho an’ny Faritanin’i Mahajanga ; Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Mahajanga I, Faritra Boeny izy.

Razafintsiandraofa Jean Brunelle ho an’ny Faritanin’i Fianarantsoa ; Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Ikongo, Faritra Vatovavy Fitovinany izy.

Michelle Bavy Angelica ho an’ny Faritanin’i Toamasina ; Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo izy.

Rabenirina Jean Jacques ho an’ny Faritanin’i Toliara ; Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’i Betioky Atsimo, Faritra Atsimo Andrefana izy.

Solombavambahoaka voafidy avy amin’ny vovonana IRD (Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina) avokoa izy enina, voafidy ho filoha lefitra ireo.

Hita taratra teto ny miralenta satria dia misasaka ny isan’ny lahy sy ny vavy.

145 ireo Solombavambahoaka niatrika ny fifidianana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.