Diplomasia: Krizy eo amin'ny Amerikanina sy ny Angilisy

  • mercredi, 10 juillet 2019 20:26
  • Tigre
  • Sary nindramina

Efa teny ambony gazety vao samy taitra ny rehetra, nahita ny tatitra tsiambaratelo nataon'ny ambasadaoro angilisy, Kim Darroch, miasa any Amerika, ho an'ny fitondrana angilisy.

Milaza ity tatitra tsiambaratelo ity, fa "tsy milamina, ary tsy mahay ininona ("instable" et "incompétent") ny filoha Donald Trump, ary ny fandraharana amerikanina dia "tokana amin'ny tsy fanjariany ('"unique dans son dysfonctionnement").

Toy ny mahazatra moa dia tsy niandry ela ny filoha amerikanina tamin'ny alalan'ny Tweet, nanamaivoka an'ity diplomaty agilisy ity, ary nilaza mazava fa tsy mila mifandray amin'olona "vendrana sy donto ("stupide")" intsony, ary mitsahatra ny fifandraisana amin'ny Angilisy amin'ny alalan'ity ambasadaoro ity.

Tokony mody afaka roa volana moa ity ambasadaoro ity, fa dia niazakazaka izay fialana izay noho izao krizy diplomatika izao. Ny Praiminisitra angilisy Théresa May moa dia nanohana hatrany ny ambasadaoriny.

Theresa May dia efa nametram-pialana ihany koa noho ny tsy fanjarian'ny Brexit, na ny fisarahana amin'ny Eoropa, amin'ny faran'ny volana jolay izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.