Fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsaina: Fifidianana roa samihafa fa tontosaina miaraka

  • vendredi, 28 juin 2019 22:40
  • Britto

“Fifidianana roa samihafa ireo fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolontsainan’ny Tanàna, hotanterahana amin’ny alatsinainy 28 ôktôbra 2019, ary samy hanana ny vata mangaraharany sy hanana ny fombafombam-pifidianany azy avy, araka ny nambaran-dRakotonarivo Thierry, Filoha lefitry ny CENI omaly alakamisy 27 jona.

Ho an’ny fifidianana Ben’ny Tanàna dia ny “suffrage universel direct au scrutin uninominal majoritaire à un tour” na ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara mivantana, indray mihodina, fifidianana olon-tokana ary handresen’izay hahazo vato betsaka indrindra.

Ho an’ny fifidianana mpanolo-tsaina kosa indray, izay andraisan’ny rehetra anjara mivantana ihany koa dia ny « scrutin de liste à la représentation proportionnelle suivant la règle du quotient électoral et la règle du plus fort reste ».

Raha ny volavolana tetiandro aroson’ny CENI dia ny 28 ôktôbra 2019 no andron’ny latsa-bato. Ny 20 jolay ka hatramin’ny 3 aogositra 2019 ny fametrahana antotan-taratasy filatsahana hofidiana.

15 aogositra 2019 ny CENI no hamoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandida.

16 novambra 2019 ny famoahan’ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaika, raha toa ka amin’ny 15 desambra 2019 kosa fara-fahatarany ny famoahan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Tribunal Administratif) isaky ny Faritany ny voka-pifidianana ofisialy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.