Andriantsilavo Zo Christian: Ho kandida Ben’ny tanàna

  • mardi, 25 juin 2019 20:04
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Raha mbola ampiandrasana ny vokatra ofisialy havoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny maro, dia tsy vitsy ihany koa izao no efa manomana ny fifidianana Ben’ny tanàna. Tsy mbola voafaritra ny daty ofisialy hanaovana ny fifidianana Ben’ny tanàna, dia heverina ny hanatanterahana azy amin’ity taona 2019 ity. Ho tapitra afaka roa volana eo rahateo ny fe-potoana iasan’ireo Ben’ny tanàna amperin’asa amin’izao.

Anisan’ireo re fa miomana hirotsaka ho kandida amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ho avy eo, eto Antananarivo renivohitra, i Andriantsilavo Zo Christian. Efa voafidy Solombavambahoakan’i Madagasikara izy ary maro ny nanantena ny fiverenany ho Solombavambahoaka tamin’ny fifidianana farany teo. Efa mpanolontsaim-paritra vaofidy tao amin’ny Faritra Analamanga ihany koa izy.

Efa filohan’ny Federasiona malagasy ny Rugby i Andriantsilavo Zo Christian. Efa filoha mpitarika Asa sosialy maro teto Antananarivo. Efa Tale naharitra tao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Ireo mahalala azy dia mihevitra fa mamaly ny filana amin’ny fitantanana vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny asa aman’andraikitra nosahanin’i Andriantsilavo Zo Christian. Maro no manosika ny hirotsahany ho kandida Ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra noho ny traikefa ananany sy ny fiofanana norantoviny teto an-toerana sy tany ivelany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.