Bianco: Andrasana ny fanendrena izay ho Tale jeneraly

  • lundi, 24 juin 2019 14:57
  • Britto

Anarana telo, no naroson'ny Komity mpifantina any amin'ny filoham-pirenena, tamin'ireo folo nivoaka tamin'ny sivana voalohany, hanendrena izay ho Tale jeneraly vaovaon'ny Birao mahaleotena miady amin'ny kolikoly na Bianco.

Vehivavy Mpitsara ny iray, jeneraly eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena kosa ny roa amin'ireo kandida telo voafantina.

Misy loharanom-baovao hafa anefa milaza fa mety tsy ho avy amin'ireo telo ireo no hovoatendry eo.

Dimy taona tsy azo havaozina ny fe-potoana iasan'ny Tale jeneralin'ny Bianco. Tapitra androany ny fe-potoana iasan'ny Tale jeneraly Andriamifidy Jean Louis, Mpitsara.

Didim-panjakana no anendrena ny solony.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.