Aina Kuric: Nametra-pialana tsy ho depioten’ny « La République en Marche »

  • mardi, 11 juin 2019 14:29
  • Britto
  • Sary nindramina

Ny zoma 7 jona 2019 no nanambaran’ilay Malagasy mizaka zom-pirenena frantsay, Aina Kuric, ny fametraham-pialany tsy ho mpikamban’ny LREM (La République en Marche) antokon’ny filoha Emmanuel Macron intsony.

32 taona izao i Aina Kuric, tamin’ny aprily 2016 izy no mpikambana LREM. Nanamarika izy fa tsy miala amin’ny maro an’isa ao amin’ny Antenimiera Frantsay, saingy depiote tsy miankina manomboka izao.

Tsy manana fitokisana ireo hery velona ao aminy ny LREM, hoy i Aina Kuric, ary tsy manana finiavana hidina ifotony.

Tsy miova amin’ny foto-kevitra nijoroako aho, hoy hatrany i Aina Kuric, maneho hatrany ny hevitro aho na manaiky na tsia ny politikam-pitantanana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.