Mahabo-Menabe: Mitaraina noho ny hala-bato sy kolikoly ny mpifidy

  • vendredi, 31 mai 2019 16:43
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Morondava

Nisy solontenan’ny mpifidy tonga teto Morondava, nanao fanambarana tamin’ny haino amanjery mikasika ny zava-nisy nandritra ny fifidianana solombavambahoaka tamin’ny 27 mey 2019 tao amin’ny Distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe.

Nitondra porofo, nilazan’izy ireo fa nisy ny hosoka sy hala-bato tao amin’ity Distrika ity, ary efa depiote taloha tao no ao ambadik’izany araka ny filazan’izy ireo hatrany.

Betsaka, hoy ireto solontena ireto, ny olona efa maty nefa mbola nisy nandray ny kara-pifidianany ka nentin’olonkafa nandatsabato miaraka amin’ny « procuration » na fanomezan-dalana.

Misy toerana izay efa tsy misy olona mipetraka intsony, noho ny asan-dahalo, hoy hatrany ny fanambaran’ireto solontena ireo, nefa mbola nitondrana olona nifidy.

Aoka mba ho ny tena safidim-bahoaka no mivoaka aty Mahabo, hoy izy ireo, fa tsy hosoka sy kolikoly no hamaritra ny voka-pifidianana eo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.