Îles éparses: Haverina amin'i Madagasikara alohan'ny 26 jona 2020 ?

  • mercredi, 29 mai 2019 18:30
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Noraisin'ny filoha frantsay Emmanuel Macron nihaona taminy, tao amin'ny Lapan'i Elysée androany ny filoha Andry Rajoelina. ity no fivoahana an'i Madagasikara fahadimy nataon'i Andry Rajoelina taorian'ny nahavoafidy azy, ary voalohany tany Eoropa.

Nisy ny tafa fohy niarahan'ireo filoha roalahy tamin'ny mpanao gazety taorian'ny dinik'izy ireo manokana, nitateran'izy ireo ny votoatin'izany, nahakasika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, fandriam-pahalemana, fampianarana, fambolena, angovo, tontolo iainana...

Voaresaka manokana ihany koa ny amin'ireo nosy kely manodidina na îles éparses. Nangataka tamin'ny filoha Macron ny filoha Rajoelina ny hijerena vahaolana ny amin'ny fitantanana na ny hamerenana amin'i Madagasikara ireo nosy manodidina ireo.

Hisy vaomiera iombonan'ny tany roa tonta handinika sy handroso vahaolana mikasika izany. Manome fotoana hatramin'ny jona 2020 i Emmanuel Macron mikasika izany.

Tamin'ny 1979 no efa nisy fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana ny maha an'i Madagasikara madiodio ny îles éparses.

Giazan'ny Frantsay ho azy anefa ireo nosy kely ireo amin'izao fotoana. Efa nivoitra tamin'ny fihaonan'ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha frantsay teo aloha François Hollande ny fiaraha-mitantana (cogestion) ny îles éparses. Hanova an'io ve i Emmanuel Macron ?

Nasain'i Andry Rajoelina ho vahiny manokana mandritra ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara ny filoha frantsay amin'ny 26 jona 2020 i Emmanuel Macron.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.