Distrikan’Antanifotsy: Misaotra ireo vahoaka nametraka ny fitokisana taminy i Rafidimanana Narson

  • mercredi, 29 mai 2019 17:24
  • Zakaria
  • Sary nomena

Mitarika vonjimaika amin'ny vokatra tamin’ny fifidianana solombavambahoaka tato anatin’ny Distrikan’Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra ny kandida laharana faha-9 tamin'ny biletà tokana, Rafidimanana Narson, avy amin’ny fikambanana « Ray Dia ».

Misaotra ireo vahoaka nametraka ny fitokisana taminy sy ireo mpiara-miasa sy ny namana nanampy azy ny tenany tamin’ny fanambarana nataony androany tao amin’ny pejiny Facebook.

« Tsy niandry ho lany solombavambahoaka ny tenako vao nitondra fanampiana ho an’ny mponin’ny Distrikan’Antanifotsy fa efa natomboko tamin’ireny sehatra hipetrahan’ny filànareo izany dia ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fiompiana ary làlana » hoy Rafidimanana Narson.

Manome toky ny tenany fa tena hisolo vava an’Antanifotsy amin’ny sehatra rehetra ilàna izany. « Mitovy fijery tanteraka isika amin’ny ezaka ilaina momba ny fambolena, ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fandriampahalemana ny làlana. Hiarahantsika manao ireo ezaka izay efa nifampiresahantsika hatramin'izay ». Hanokatra foibe ny tenany hahafahana mifandray.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.