Ifanadiana: Fampielezan-kevitra hafa kely

  • jeudi, 09 mai 2019 15:07
  • Tigre
  • Sary nomena

Feno ny afisin'i kandida MANANTENA Hajanirina Dinah, na fantatra amin'ny hoe Haja, izay voaroiroy tamin'ny resaka kidnapping tany Antsirabe sy Toamasina, fa nahazo fahafahana vonjy maika, ny eto Ifanadiana.

Ireo mpitsara dimy tany Toamasina nanome izany fahazoana mivoaka ny fonja izany aza moa dia nahantona tamin'ny asany.

Araka ny fanambaran'ny CENI anefa dia tsy mampiova ny lisitr'ireo kandida izay afera mbola tsy nisy didim-pitsarana raikitra momba azy ireny fa dia mijanona ho kandida hatrany izy ireny.

Nanaitra kely amin'ny tranga aty Ifanadiana dia tsy hita mihitsy ny Kandida Haja fa ny Ben'ny tanàna, izay lohalisitra RABEMIAFARA Manarintsoa José no manao ny fanentanana, nefa ny anarany amin'ny maha lohalisitra azy aza tsy hita tabilao, fa ny anaran'i Haja Dinah, mpisolo toerana indray no hoe Fidio.

Nirotsaka amin'ny tsy miankina moa izy mirahalahy ireto, ary araka ny resaka mandeha aty Ifanadiana, dia raha lany ny lisitra dia mametram-pialana ny lohalisitra hiakaran'ny mpisolo toerana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.